2025
Tsaramaso sy foromazy mora nahandro
Septambra 2025


“Tsaramaso sy foromazymora nahandro,” Namana, septambra 2025, 32.

Ndao isika hahandro e!

Tsaramaso sy foromazy mora nahandro

  • Tsaramaso voaendy 1 kapoaka (450 g)

  • Zavoka 2

  • Salsa 65 g

  • Hero-dronono 225 g

  • Foromazy voatetika 2 240 g

  • Fangarony tsy voatery atao: voatabia voatetika, tongolo maitso, na oliva mainty.

  • Sipsa tortilla

Raha tsy manana ny sasantsasany amin’ireo akora fangaro ireo ianao dia afaka mampiasa ireo akora avy ao amin’ny toerana misy anao! Raha toa ka tsy manana tsaramaso voaendy ianao dia afaka mitoto tsaramaso mainty miaraka amin’ny sira sy tongolo gasy.

  1. Aparitaho mitovy tsara ao anaty lasitra efamira 20-cm na zavatra mitovy amin’izany ilay tsaramaso voaendy.

  2. Potsero ary afangaroy ao anaty tsatokaty ny zavoka miaraka amin’ny antsasaky ny salsa. Aparitaho eo ambonin’ny tsaramaso izany.

  3. Afangaroy ny hero-dronono sy ny ambin’ilay salsa. Aparitaho eo ambonin’ny zavoka izany.

  4. Afafazo eo ambony ny foromazy ary ampio fangarony izay tsy voatery atao.

  5. Arosoy miaraka amin’ny sipsa tortilla ary ankafizo!

Pejy PDF ana tsatokaty feno sipsa tortilla, lasitra misy tsaramaso saosy, ary voatabia