“Manara-dia an’i Jesoa any Porto Rico”, Namana, septambra 2025, 10–11.
Manara-dia an’i Jesoa any Porto Rico
Fantaro i Dariela
Manara-dia an’i Jesoa amin’ny alalan’ny famakiana soratra masina sy vavaka i Dariel. “Tiako ny manara-dia an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fianarana misimisy kokoa momba Azy,” hoy izy.
Miezaka manara-dia an’i Jesoa amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa ihany koa i Dariel. Manampy ny mpampianatra azy amin’ny fanadiovana ireo solosaina izy aorian’ny kilasy. Manompo ny fianakaviany amin’ny alalan’ny fikarakarana ireo biby fiompin’izy ireo sy ny fanampiana amin’ny fanaovana sakafo hariva izy. “Mahatsapa fifaliana aho rehefa manara-dia an’i Jesoa,” hoy izy.
Mombamomba an’i Dariel
Taona: 9
Avy any: Caguas, Porto Rico
Tenim-pirenena: Espaniola, Anglisy
Tanjona: 1) Ho mpandraharaha. 2) Mandrafitra jeux vidéo.
Fialamboly: Milalao jeux vidéo sy mitaingina ny bisikiletany
Fianakaviana: Dariel, neny, dada, rahalahy, anabavy
Ireo zavatra tian’i Dariel indrindra
Tantara ao amin’ny soratra masina: Tamin’i Jesoa Kristy nitsangana tamin’ny maty
Fety: Krismasy
Sakafo: Arroz con habichuelas (vary miaraka amin’ny tsaramaso)
Voankazo sy legioma: Frezy sy vomanga
Loko: Fotsy, mainty, mena
Hiran’ny Kilonga: “Rehefa atao batisa aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 53)