2025
Tonga soa ry namana!
Septambra 2025


“Tonga soa ry namana!” Namana, Septambra 2025, 1.

Tonga soa ry namana!

Amin’io volana ho avy io ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany! Midika izany fa handre hafatra avy amin’ny mpaminanintsika sy ireo mpitarika hafa isika. Hampianatra antsika ny zavatra tian’ Andriamanitra hianarantsika izy ireo. Afaka mahatsapa ny Fanahy Masina miresaka amintsika isika rehefa mihaino. Vakio ny tantara ao amin’ny pejy 4 mba hahitana ny valiny azon’i Lou rehefa nihaino ny fihaonambe izy.

Manana fomba mahazatra fanao amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ve ny fianakavianao? Angamba afaka manangana lay mba hihainoana, tahaka ny nataon’i Margo sy i Paolo ianao (jereo ny pejy 33). Eo ampihainoanao ihany koa dia azonao ampiasaina ireo sahanasa ao amin’ny pejy 6–7 sy an-jotra.

Mihainoa finaritra!

Amim-pitiavana,

Ny Namana