“Fijoroana ho vavolombelona nozaraiko tamin’ny alalan’ny hira,” Namana, septambra 2025, 19.
Nosoratanareo
Fijoroana ho vavolombelona nozaraiko tamin’ny alalan’ny hira
Aty amin’ny fireneko dia Katôlika ny ankamaroan’ny olona. Mianatra any amin’ny sekoly Katôlika iray aho.
Fony aho tao amin’ny kilasy CE1 dia nitendry mozika ny mpampianatra ahy raha niasa tamin’ireo fiaraha-mientanay izahay nandritra ny andro. Indray tolakandro dia nanontany izy raha misy olona te hisafidy hira iray mba hohenoina koa. Ho feno valo taona aho tamin’io taona io ary niomana ho amin’ny batisako. Tonga tao an-tsaiko ilay tonon-kira hoe “Endrey ny hakanton’ny tany, tarafin’ny avana.” Nangataka ny mpampianatra ahy aho mba hitendry ilay hira hoe “Rehefa atao batisa aho” avy ao amin’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany. Nanaiky ilay mpampianatra ahy, ary nitady izany.
Tsy ela dia notendrena mba ho henon’ny olona rehetra tao amin’ny efitrano fianarako ilay hira. Tamin’ny voalohany dia hafahafa ny fomba fijerin’ireo mpiara-mianatra tamiko ahy, saingy afaka nahatsapa ny Fanahy Masina tao am-poko aho avy eo. Nameno fiadanana ahy izany.
Tamin’io andro io rehefa nandao ny sekoly aho, dia tena faly aho fa nizara ny filazantsara tamin’ireo mpiara-mianatra tamiko tamin’ny alalan’ny hiran’ny Kilonga tiako indrindra. Heveriko fa fomba tsara hanomanana ahy hanasa ireo namako hanatrika ny batisako izany.
Sary nataon’ i Simini Blocker