2025
Miara-milalao
Septambra 2025


“Miara-milalao,” Namana, septambra 2025, 44–45.

Boky ho an’ny ankizy mianatra mamaky teny

Miara-milalao

Tantara marina avy any Etazonia.

Manirery i Diego. Nifindra nankany amin’ny toerana vaovao ny fianakaviany. Nalahelo ireo namany tany amin’ny fonenany taloha izy.

Ankizilahy malahelo endrika iray miara-milalao amin’ny zandriny vavy

Miara-nilalao amin’i Cara zandriny vavy i Diego izao. Saingy te hanana namana vaovao ihany koa izy.

Lehilahy sy vehivavy iray mampifankafantatra ireo zanak’izy ireo lahy

Vetivety dia nisy fianakaviana iray nifindra teo akaiky teo. Nanana zazalahy kely izy ireo, tahaka azy mihitsy! I Sam no anarany.

Niara-nilalao i Diego sy i Sam isan’andro.

Ankizilahy milalao lamasinina kilalao; ankizilahy iray mankahery ny zandriny vavy mitomany

Indray andro, raha izy ireo nilalao iny, dia nahita i Diego fa nalahelo i Cara. Angamba nanirery ihany koa izy.

Ankizilahy mitsiky sy ankizivavy iray faly manatsotra ny sandriny.

“Tianao ve ny hiara-milalao aminay?” hoy i Diego nanontany.

Nitsikitsiky aok’izany i Cara. “Lalao!”

Ankizilahy roa sy ankizivavy iray miara-milalao lamasinina kilalao

Niara-nilalao lamasinina i Diego sy i Sam ary i Cara. Nanosika ilay lamasinina kilalao niverina sy nandroso izy ireo. “Tsoo-tsoo!” Nitsiky i Diego. Nahatsapa hafaliana izy, ary toy izany koa i Cara!

Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Natalie Briscoe