“Ampianaro momba ny tsodranon’ny fisoronana aho,” Namana, sept. 2025, 46–47.
Ireo zavatra fototra ao amin’ny filazantsara
Ampianaro momba ny tsodranon’ny fisoronana aho
Ny Fisoronana dia herin’ Andriamanitra eto an-tany. Afaka mahazo ny tsodranon’ny fisoronana isika rehefa marary mba hanampy antsika hahatsapa ho tsaratsara kokoa.
Afaka mankahery antsika ny tsodrano rehefa matahotra na malahelo isika.
Afaka manampy antsika hahatsapa ho manana herim-po manoloana ny zavatra manan-danja ny tsodrano.
Afaka mangataka ny tsodranon’ny fisoronana isika amin’ny fotoana rehetra!
Lokoy ny sary
Afaka mahazo tsodranon’ny fisoronana manokana ianao raha mbola zazakely. Lokoy ny sary etsy ambany.
Sary nataon’i Audrey Day