“Tsodrano ho an’ny fiverenana any an-tsekoly,” Namana, septambra 2025, 16–17.
Tsodrano ho an’ny fiverenana any an-tsekoly
Tantara marina avy any Aostralia.
Tena mientanentana ve ianao hanomboka hianatra?
Ie, saingy manahy aho ny amin’ny matematika. Ahoana raha tsy vitako izany?
Rariny ilay hoe matahotra. Mety ho sarotra ny fianarana saingy afaka manampy anao ny Ray any An-danitra!
Tianao ve ny omena tsodranon’ny fisoronana alohan’ny hanombohanao ny fianarana?
Eny!
Misaotra Dada!
Dimy ampitomboina fito manome firy?
Dimy amby telopolo.
Hmm …
Azoko!
Nanao ahoana ny tany an-tsekoly?
Tsara. Afaka nifantoka tamin’ny matematika aho, tahaka ny nolazain’i Dada tao anatin’ny tsodranoko.
Manampy ahy hifantoka ny Ray any An-danitra. Mahay matematika aho!
Sary nataon’i Aleksandar Zolotic; Kindly Loved [Tiana amin-katsaram-panahy] nataon’i Freckleton Gagon, nahazoana lalana avy tamin’i Havenlight