2025
Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy
Septambra 2025


“Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy,” Namana, septambra 2025, 22–23.

Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy

1–7 septambra: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 94–97

Manorena tempoly

Ankizilahy roa manamboatra tempoly amin’ny tanana avy amin’ny vongan-tsiramamy.

Ny tempoly dia toerana ahafahan’ Andriamanitra mitahy antsika (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 95:8). Manorena tempoly anao manokana amin’ny fampiasana vaingan-tsiramamy, na biriky kely plastika, na zavatra avy amin’ny zava-boahary! Alefaso aty aminay avy eo ny sarin’ny zava-bitanao. Avadiho any amin’ny fonony any aoriana mba hahitana ny fomba hanaovana izany.

8–14 septambra: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 98–101

Mitonia

Ankizy anankiroa eny ivelany, ny iray mijoro tony tsara, ny iray kosa mihazakazaka manangana ny sandriny.

Mampianatra ny soratra masina hoe: “Mitonia ary fantaro fa Izaho no Andriamanitra.” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 101:16). Midika izany fa rehefa maka fotoana hanehoana fanajana fatratra isika dia afaka mahatsapa ho akaiky ny Ray any An-danitra. Ataovy ity kilalao momba ny fitoniana ity. Mihazakazaka ny olona iray ary manenjika ny olona hafa rehetra. Rehefa misy olona voakasika dia tena tsy mihetsika izy ireo. Alohan’ny hahafahan’izy ireo mihazakazaka indray dia milaza zavatra iray fantany momba ny Ray any An-danitra izy ireo.

15–21 septambra: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 102–105

Labozia taratasy

Ankizy mihazona labozia taratasy natao tanana

Afaka ny ho fahazavana ho an’ny hafa isika amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy sy ny fanompoana ny hafa (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:9). Avadiho any amin’ny page 13 mba hanamboaranao ny labozia taratasy anao manokana.

22–28 septambra: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 106–108

Fiaraha-mientana ho an’ny Fihaonambe

Ankizy manao sahanasa fandokoana

Zava-dehibe ny mihaino ny mpaminany sy apôstôlin’ Andriamanitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:22–23). Vakio ny tantara iray ao amin’ny pejy 4 momba ny fahazoana valim-panontaniana avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Manorata fanontaniana vitsivitsy izay anao manokana ao amin’ny pejy 6. Hahita sahanasa azonao atao ihany koa ianao eo am-pihainoanao ny fihaonambe.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nalain’i Christina Smith