2025
Ny herin’ Andriamanitra dia fanomezam-pahasoavana!
Septambra 2025


Ny herin’ Andriamanitra dia fanomezam-pahasoavana! Namana, septambra 2025, 20–21.

Ny herin’ Andriamanitra dia fanomezam-pahasoavana!

Nalaina avy tamin’ny “Manàna fiainana mendrika ireo tombontsoa natao ho anao,” Liahona, nôv. 2024, 7–10.

I Emma Smith mipetraka ao anaty trano hazo mihazona kaopy vy

Vao haingana aho no nitsidika an’i Harmony, Pennsylvanie, Etazonia. Teo ambanin’ireo hazo erabla no naverina tamin’ny laoniny tamin’i Joseph Smith sy i Oliver Cowdery ny fisoronana. Nandeha tany amin’ny trano izay nipetrahan’i Joseph sy i Emma Smith koa aho. Nijoro teo amin’ny varavarankely aho tao anatiny ary nanontany tena hoe inona no neritreretin’i Emma rehefa nijery teo amin’izany varavarankely izany izy.

Nanome hafatra manan-danja an’i Emma tamin’ny alalan’i Joseph mpaminaniny ny Tompo. Azontsika vakina io hafatra io ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 25.

Voalohany, nampianatra an’i Emma ny Tompo fa nanana toerana tao amin’ny drafiny izy. Nampahatsiahiviny azy fa zanakavavy tao amin’ny fanjakany izy.

Faharoa, nomen’ny Tompo tanjona izy. Nanana anjara asa manan-danja tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny i Emma. Nasaina nampianatra ny soratra masina izy ary namorona ny boky fihirana voalohany!

Ary farany dia nampianatra an’i Emma mikasika ny fanekempihavanany ny Tompo. Ny fitandremana ireo fanekempihavanana dia hanampy azy hahatsapa ny Fanahy, ho lasa tsaratsara kokoa ary handray fitarihana ho an’ny fiainany.

Ankizilahy sy ankizivavy mipetraka ao amin’ny dabiliom-piangonana mandray ny mofon’ny fanasan’ny Tompo

Ny fanantenako dia ny hoe hianatra ny fomba hitondran’ireo ôrdônansy sy fanekempihavanan’ny fisoronana ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanareo ianareo. Afaka mahazo ny fanomezam-pahasoavan’ny herin’ Andriamanitra avokoa isika rehetra. Isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo isika. Isaky ny miditra ny tempoly isika.

Lalao tsipy mozika

Nasaina namorona ny boky fihirana voalohany i Emma Smith. Mbola mihira fihirana isika ankehitriny! Mifandimbiasa manipy vola vy iray na zavatra kely hafa eo amina takelaka iray. Rehefa tafapetraka eo amin’ny sary iray izany dia mieritrereta hira iray momba izany lohahevitra izany. Iaraho mihira izany avy eo!

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney