“Resadresaka niarahana tamin’i Gabby momba ny fanompoana ao am-piangonana,” Namana, septambra 2025, 40–41.
Resadresaka niarahana tamin’i Gabby momba ny fanompoana ao am-piangonana
Ankizivavy 11 taona avy any Harare, Zimbaboe i Gabby. Nametraka fanontaniana vitsivitsy taminy momba ny fitarihana hira any am-piangonana izahay.
Lazao aminay ny mombamomba anao.
Tiako ny mahandro desserts sy ny sakafo mafilotra ary ny milalao marimba. Mihira sy mandihy aho ary mianatra mitsoka sodina sy mitendry xylophone ary pianô.
Lazao anay ny momba ny andraikitra vaovao nampanaovina anao.
Nangataka ahy ny eveka mba hanampy amin’ny fitarihana ny hira mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo. Tsy nanampo izany aho ary nieritreritra fa hisafidy olona lehibe kokoa izy ireo. Saingy nahatsapa ho tiana sady faly aho satria tiako ny mozika.
Indraindray aho dia mbola matahotra fa handiso feony na tonon-kira ary handre izany ny olona. Saingy ny Fanahy Masina dia manampy ahy hahazo aina eo anoloan’ny olona rehetra. Manomboka zatra izany aho ankehitriny ka lasa tena mahafinaritra aza izany raha ny marina!
Toy ny ahoana ny nitarika hira ho an’ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo?
Nampatahotra ilay izy tamin’ny voalohany. Indraindray nanadino ny sasany tamin’ireo tonon-kira aho tamin’ny izahay nanao fanazaran-tena. Noho izany dia nanao fanazaran-tena nihira niaraka tamin’ny reniko tany an-trano aho, ary nanampy be izany. Rehefa nanao famerenana tao amin’ny Kilonga izahay dia nihira mafy kokoa aho mba hanampiana ireo izay tsy afaka mamaky na tsy mahafantatra ireo teny.
Nahatsapa fientanentanana aho rehefa tonga ny andron’ilay fampisehoana. Nandeha tsara avokoa ny zava-drehetra. Nahatsapa ho feno fiadanana sy tony aho, ary nahatadidy mora foana ireo tonon-kira.
Inona no zavatra nianaranao avy tamin’io traikefa io?
Nianatra aho fa indraindray tsy lafatra ny zava-drehetra, saingy tsy maninona izany, ary afaka mianatra avy amin’izy ireo ianao. Ny fitarihana ny hira tao amin’ny Kilonga koa dia nanomana ahy tamin’ny asa vaovao nampanaovina ahy!
Inona no torohevitra holazainao amin’ny hafa momba ny fanompoana ao am-piangonana?
Indraindray dia mety ho sarotra ny manompo eo anoloan’ny olona maro, saingy ny zavatra momba antsika ankizy kosa dia ny hoe, afaka mitarika isika na firy na firy taonantsika, na fohy na lava manao ahoana isika. Te hilaza amin’izy ireo aho fa na dia mety hahaketraka antsika aza ny tahotsika indraindray, dia afaka manampy antsika hahatsapa ho feno fiadanana ny Fanahy Masina. Hanampy antsika hiarina indray Izy.