2025
Ho an’ny ankizy lehibe
Septambra 2025


“Ho an’ny ankizy lehibe”, Namana, septambra 2025, 34–35.

Ho an’ny ankizy lehibe

Teny avy aminao

Zazalahy mitsiky

Niteny teny tsy maotina ny mpiara-mianatra iray tany an-tsekoly. Niresaka tamin’ny dadako momba izany aho. Nangataka ny mpiara-mianatra tamiko aho mba hitsahatra tsy hiteny teny tsy maotina ny ampitson’iny, dia nataony izany.

Henry F., 9 taona, Texas, Etazonia

Ankizivavy mitsiky

Natahotra ny handeha ho any amin’ny dokotera ny reniko. Nolazaiko azy fa nivavaka aho ny alina talohan’izay mba hizotra tsara ny zava-drehetra. Nahatsapa ny Fanahy Masina izy. Nampianatra ahy izany fa mihaino ireo vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra.

Lucía P., 10 taona, Capital District, Venezoelà

Tempolin’i Kirtland

Nangataka an’i Joseph Smith sy ireo Olomasina tany am-piandohana Andriamanitra mba hanorina tempoly iray tao Kirtland, Ohio, Etazonia. Ampifandraiso ireo teboka mba hanorenana ilay tempoly.

Kilalaon’ny mpamaky lay

Ireto misy kilalao vitsivitsy tany amin’ny fotoanan’ny mpamaky lay. Azonao ampifandraisina amin’ilay anarana ve ilay sary?

  1. Manodinkodina tandrimo

  2. Hélice

  3. Bera hazo

  4. Gee Haw Whammy Diddle

Fanamby fanaovana sary

Miezaha manao sarina biby izay tianao indrindra miaraka amin’ny masonao mikimpy!

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Lisa Hunt