2025
Fiaraha-mientana ho an’ny Fihaonambe
Septambra 2025


“Fiaraha-mientana ho an’ny fihaonambe,” Namana, septambra 2025, 6–7.

Fiaraha-mientana ho an’ny Fihaonambe

Noho ny teknôlôjian’ny zanabolana dia afaka mihaino ny fihaonambe ny olona manerana izao tontolo izao. Ataovy ireto fiaraha-mientana ireto rehefa mihaino ianao!

Lokoy araka ny famantarana

Makà famantarana iray avy ao amin’ilay lisitra etsy ambany rehefa manomboka ny lahateniny ny mpandahateny vaovao iray. Avy eo dia ampiasao izany loko izany mba hamenoana ireo endrika rehefa mihaino ianao.

Lalana fihainoana

Sorito amin’ny rantsantananao ity lalana mifampidipiditra ity mba hanampiana anao hihaino amim-pahanginana ny fihaonamben’ny fiangonana maneran-tany. Avy eo dia mampiasà taratasy iray hafa mba hanandramanao hanao sary ny anao manokana!

Fanontaniana ho an’ny Fihaonambe

Vakio ny tantaran’i Lou ao amin’ny page 4. Inona avy ireo fanontaniana momba ny filazantsara anananao? Soraty ao anatin’ireo efajoro etsy ambany izy ireo mba hahatsiarovana izany rehefa mihaino ny fihaonambe ianao. Mivavaha koa mba hahazoana valim-bavaka.

Hevitra misimisy kokoa

  • Ataovy printy na hetezo avy ao amin’ny Liahona ny sarin’ny Fiadidiana Voalohany sy ireo Apôstôly ary ireo mpitarika hafa. Rehefa misy mpandahateny vaovao mijoro hanao ny lahateniny dia tadiavo ny sarin’izy ireo.

  • Miaraha misafidy amin’ny fianakaviana teny iray hohenoinareo (toy ny hoe fitiavana na tempoly). Soraty eo amin’ny taratasy iray ilay teny. Isaky ny maheno ilay teny ianao mandritra ny fihaonambe dia manaova sarina kintana na mametraha fanamariham-pejy iray ao amin’ilay pejy.

  • Manomboha fomba iray fanaon’ny fianakaviana rehefa fihaonambe! Manamboara vatomamy manokana na manaova zavatra hafa mba hahatonga ny faran’ny herinandro ho tena miavaka.

Pejy holokoinan’ny amboarampeo sy fantson’ôrga ao ambadiky ny polipitra ao anatin’ny Ivon-toeran’ny fihaonambe
Pejy holokoinan’ny labyrinthe ivelan’ny Ivon-toeran’ny fihaonambe
Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Samantha Windley