“Taratasy avy amin’ny namana,” Namana, septambra 2025, fonony any aoriana.
Taratasy avy amin’ny namana
Ireo toerana hamakiantsika ny Namana
I Zoe sy i Abner E., 7 sy 3 taona, mamaky ny Namana amin’ny teny Espaniôla any Catalonia, Espaina.
Manampy ny hafa
Namaky momba an’i Petera izay nivavaka mba hahafantarany ny fomba hanampiany ny mpifanolobodirindrina aminy izay nalahelo aho (sept. 2024). Nianatra aho fa rehefa manampy ny hafa ianao dia afaka hampatanjaka azy ireo izany.
Gawon C., 11 taona, Jeju-do, Korea Atsimo
Mahita ny tempoly no mahafinaritra anay
Nitsidika ny Tempolin’i Frankfurt Alemana ireo ankizy ao amin’ny Kilonga avy any Slovenia sy Kroasia ary Serbia.
Manan-javatra hozaraina ve ianao? Alefaso aty aminay amin’ny alalan’ny fampiasana ilay taratasy fenoina etsy ambany.