“Miara-manara-dia an’i Jesoa,” Namana, septambra. 2025, 14–15.
Ireo namana manerana izao tontolo izao
Namorona fanevan’ny fahafahana ireo zazalahy tao Washington, Etazonia, nandritra ny fiaraha-mientan’ny Kilonga iray. Nampanantena izy ireo fa hanaraka ny ohatry ny Kapiteny Môrônia amin’ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fianakaviany.
Sophia S., 8 taona, Dakota Avaratra, Etazonia
Damin C., 4 taona, Séoul, Kôrea Atsimo
Milana B., 9 taona, Primorsky Krai, Rosia
Abigail O., 10 taona, Arkansas, Etazonia
“Tempolin’i San José Costa Rica,” Eduard E., 10 taona, Santander, Kolombia
Nanampy ny fiarahamonina misy anay izahay tamin’ny fitsimponana fako teo amin’ny lalana fitsangantsanganana tianay indrindra teo amin’ny zaridaina iray teo an-toerana.
Ezra, Maelee, ary Adeline B., 4 sy 8, ary 6 taona, Pennsylvanie, Etazonia
Tiako ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananako isaky ny manana fahafahana manao izany aho!
Maggie T., 7 taona, Kolombia-Britanika, Kanadà
Nanomana kitapo babena niaraka tamin’ny raiko sy ny dadabeko aho. Nihanika ny tendron’ny havoana iray izahay. Ny iray tamin’ireo tendron’ny havoana izay hitako dia nitovy tamin’ny tempoly. Tiako ireo zavatra noharian’ny Ray any An-danitra sy ny miaina eo anivony.
Charlie M., 7 taona, Oregon, Etazonia
Ny ampahany tiako indrindra ao am-piangonana dia ny mandeha ao amin’ny kilasin’ny Kilonga.
Ammon R., 7 taona, Schwyz, Soisa