2025
Mofo dimy sy hazandrano roa
Septambra 2025


“Mofo dimy sy hazandrano roa,” Namana, septambra 2025, 2–3.

Avy ao amin’ny Fiadidian’ny kilonga maneran-tany

Mofo dimy sy hazandrano roa

Avy amina resadresaka niarahana tamin’i Lucy Stevenson Ewell.

I Jesoa Kristy mihazona sobikana mofo sy hazandrano, miaraka amin’ny olona maro ao aoriany

Ao amin’ny Testamenta Vaovao ny iray amin’ireo tantara tiako indrindra. Olona mihoatra ny dimy arivo no nihaino ny Mpamonjy nampianatra manontolo andro. Nanomboka noana izy ireo.

Niteny ny iray tamin’ireo mpianatra hoe: “Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’izao olona betsaka izao?” (Jaona 6:9).

Nangataka azy ireo i Jesoa mba hitondra ny sakafo ho eo Aminy, dia nivavaka Izy. Dia nisy fahagagana nitranga nony avy eo. Nisy ampy namahanana ny olona rehetra. Ary nisy ambiny tsy lany 12 harona!

Tiako hotsaroanareo hoe iza no nitondra ireo mofo sy hazandrano. Zazalahy kely izany! Nomeny ny Mpamonjy izay rehetra nananany.

Tena manan-danja amin’ny Ray any An-danitra ny ankizy. Rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy ianao amin’ny alalan’ny fanompoana ny hafa dia hitahy anao Izy.

Afaka manome ihany koa ianao!

Ataovy sary ny fomba iray ahafahanao manompo ny hafa.

Pejy amin’ny endrika PDF