“Karatra momba ny tempoly,” Namana, septambra 2025, 12.
Karatra momba ny tempoly
Tempolin’i Mexico City, Meksika
-
Io no tempoly voalohany naorina tany Meksika.
-
Mihazona takela-bolamena ny sarivongan’ny anjely Môrônia eo amin’io tempoly io.
-
Io no tempoly lehibe indrindra ivelan’i Etazonia.
Tempolin’i San Juan Porto Rico
-
Io no tempoly voalohany naorina tany Porto Rico.
-
Ny asa kanto ao aminy vita amin’ny fitaratra dia mampiseho ny hatsaran’ilay nosy.
-
Nitsidika tany ny Filoha Nelson talohan’ny nanambarany ny tempoly ary nilaza tamin’ireo mpikambana mba hihazona ny finoan’izy ireo ho matanjaka.
Tempolin’i Suva Fidji
-
Ity tempoly ity dia 0.8 km miala ny ranomasimbe.
-
Ireo tefibika ao amin’ny tempoly dia aingam-panahy avy amin’ireo voninkazo sy tora-pasika ary ny ala mikitrok’i Fidji.
-
Tamin’ny fanokanana fanindroany tamin’ny 2016 dia nanatanteraka ny fankalazana ireo mpamaky lay tany am-piandohana avy any Pasifika ireo zatovo.
Sary nataon’i Rachel Erickson