2025
Arahaba avy any Porto Rico!
Septambra 2025


“Arahaba avy any Porto Rico!” Namana, septambra 2025, 8–9.

Arahaba avy any Porto Rico!

Andiana nosy ao amin’ny Karaiba i Porto Rico. Mponina mihoatra ny 3 tapitrisa no monina any.

Tempoly sy tanàna tsara tarehy

San Juan no renivohitr’i Porto Rico. Manana tempoly iray izy ireo any! Mihoatra ny 500 taona ilay tanàna ary manana tora-pasika tsara tarehy maro.

Lalana elo

Ny Calle de la Fortaleza dia arabe izay matetika no misy ravaka mihantona eo anelanelan’ireo trano. Ny arabe dia voahaingo amin’ny elo maro loko sy papangohazo ary saina.

Rano manjelatra

Misy helodrano bioluminescent telo ao Porto Rico. Ireo zavamananaina madinika ao anaty rano no mampanjelatra ny rano rehefa mihetsika izany! Amin’ny alina no tena ahitana azy tsara indrindra.

Vorona maro loko

NyEméraude avy ao Porto Rico)sy ny boloky avy ao Porto Rico dia tsy hita afa-tsy ao Porto Rico ihany.

Hira sy dihy

Ny Bomba dia karazana hira sy dihy avy ao Porto Rico. Ahitana ireo amponga sy fihirana ary ny fandihizana mba hitantarana tantara momba ny vahoakan’i Porto Rico izany.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sarin’ny “Young Folk Dancers in Puerto Rico [Tanora mpandihy folk ao Porto Rico],” nalain’i Bob Krist avy tamin’ny alalan’ny Getty Images