2025
Zavatra 5 tokony hotsaroana momba ny fiarovana ny vatana
Septambra 2025


“Zavatra 5 tokony hotsaroana momba ny fiarovana ny vatana,” Namana, septambra 2025, 38–39.

Zavatra 5 tokony hotsaroana momba ny fiarovana ny vatana

Fanomezana avy amin’ny Ray any An-danitra ny vatanao. Te hanampy anao mba ho voaro sy ho faly Izy. Raha misy olona manandrana mandratra anao amin’ny teny na fihetsika dia tsy azo ekena izany! Tokony ho tsara fanahy sy feno fanajana ny hafa isika, ary tokony hiandrandra azy ireo ho tsara fanahy sy hanaja antsika koa.

  1. Tsy maninona ny miteny hoe tsia, na dia amin’ny olon-dehibe aza. Tompon’andraikitra amin’ny vatanao ianao. Midika izany fa ianao no manapa-kevitra raha toa ka afaka mikasika anao, na mamihina anao, na manoroka anao ny olona iray. Afaka manao fanazaran-tena ianao miteny hoe “Tsia,” “Aza mikasika ahy,” ary “Mialà any.” Raha voakasika na asaina manao zavatra izay tsy mampahazo aina anao ianao dia tsy maninona ny miteny hoe tsia ary raha azonao atao dia mialà.

  2. Fantaro hoe inona no fikasihana tsy misy ahiana na mampidi-doza. Ny fikasihana tsy misy ahiana dia manampy anao hahatsapa ho tiana (toy ny fihina na peo ny dimy) na mijanona ho madio sy salama (toy ny ray aman-dreny manampy anao mandro na dokotera manampy anao rehefa marary ianao). Indraindray ny fikasihana tsy misy ahiana dia mety haharary, toy ny tsindrona na vakisiny, saingy azo antoka izany satria mahasalama anao. Ny fikasihana mampidi-doza dia mandratra ny vatanao na ny fahatsapanao, toy ny fikapohana, na ny fanosehana, na ny fikasihana ny faritra manokana eo amin’ny olona iray. Ireo fikasihana maharary na tsy mampahazo aina ireo dia tsy azo ekena.

  3. Misy faritra amin’ny vatanao izay tsy tokony hokasihin’ny olona hafa fa anao manokana. Ny faritra anao manokana dia ahitana ny faritra amin’ny vatanao izay voarakotry ny fanamiana fitondra milomano. Tsy azo ekena, ho an’ny hafa, ny fikasihana ny faritra anao manokana amin’ny vatanao (na ao anatiny na ivelan’ny akanjonao) na ny mangataka anao hikasika ny azy ireo. Raha mitranga aminao izany dia miresaha amina olon-dehibe iray azo itokisana, raha vantany vao afaka manao izany, ianao.

  4. Tadidio ny fahasamihafana misy eo amin’ny tsiambaratelo sy ny zavatra tsy ampoizina. Ny hoe tsy ampoizina dia zavatra mahafinaritra ho an’ny rehetra, toy ny fanomezana amin’ny tsingerintaona nahaterahana. Ny hoe tsiambaratelo dia rehefa misy olona miteny aminao mba tsy hilaza na inona na inona amin’olona. Raha toa ianao ka nasaina hitazona tsiambaratelo mombana fikasihana na fandratrana nataon’ny olona iray anao, dia tokony hitantara amin’ny olona iray azonao antoka avy hatrany ianao. Tohizo ny fitantarana amin’ireo olon-dehibe azo antoka mandra-pisian’ny olona iray manampy anao mba ho voaro.

  5. Raha misy olona mikasika na mandratra anao dia tsy fahadisoanao izany. Ny olona iray izay nandratra anao dia mety hiezaka ny hanao izay hinoanao, na ny hafa, fa nanao zavatra tsy mety ianao, nefa ianao tsy nanao izany. Tia sy mahafantatra anao tanteraka ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mangataha fanampiana amin’ny olon-dehibe azo antoka, ary tsarovy fa afaka mivavaka mandrakariva amin’ny Ray any An-danitra ianao mba hahazoana fanampiana ihany koa.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary naton’i Mike Mullan