“Lobaka ho an’ny batisan’i Harvey,” Namana, septambra 2025, 36–37.
Lobaka ho an’ny Batisan’i Harvey
Tsy hitan’i Harvey na aiza na aiza ny lobaka fotsiny!
Tantara marina avy any Indonezia.
Nipetraka voapotsitra teo amin’ny seza aorianana fiara karetsaka niaraka tamin’i Ibu (Neny) sy Bapak (Dada) i Harvey. Teny an-dalana ho any am-piangonana izy ireo hanao ny batisan’i Harvey.
“Inona no tsapanao tamin’ny ianao natao batisa ry Bapak?” Hoy i Harvey nanontany. Vita batisa volana vitsivitsy lasa izay i Bapak. Feno valo taona i Harvey izao, dia hatao batisa koa izy!
Nieritreritra kely i Bapak. “Tena nangatsiaka be ilay rano!” hoy izy sady nihomehy. “Saingy nahatsapa fitiavana be ihany koa aho. Na dia tsy mpikamban’ny Fiangonantsika aza ny ankamaroan’ny fianakaviantsika dia nahatsapa ny fitiavan’izy ireo sy ny fitiavan’ Andriamanitra aho.”
Rehefa tonga tao amin’ny trano fiangonana izy ireo dia nanampy azy ireo hameno rano ny dobo fanaovana batisa sy hivonona ny olona sasany avy ao amin’ny fiangonana.
“Fotoana izao hisoloana amin’ny akanjo fanaovana batisa ry Harvey,” hoy i Ibu. Nihatokatoka i Harvey ary nahita ilay kitapo niaraka tamin’ny fitafiany. Saingy ny patalohany fotsy ihany no tao anatin’ilay kitapo. Tsy hitany ny lobaka fotsiny! Nisava ireo kitapo hafa izy ary nijery manodidina ny fiangonana.
“Tsy ato ny lobako ry Ibu,” hoy i Harvey.
Niketrona i Ibu. Nisava kitapo vitsivitsy koa izy. “Tsy maintsy adinontsika tao anaty fiara karetsaka izany ilay izy.”
“Manana akanjo fanaovana batisa fanampiny izahay ao anaty lalimoara ,” hoy Rahavavy Putri. “Ao fa handeha haka azy ireo aho.”
Kanefa ny hany akanjo fanaovana batisa avy tao amin’ny lalimoara dia lehibe loatra ho an’ny Harvey. Toa feno fanahiana i Ibu. Hanomboka tsy ho ela ny batisa. Efa maro be ireo olona, fa i Harvey kosa tsy mbola nanana lobaka.
“Angamba afaka mivavaka isika mba hitondran’ilay mpamily fiara karetsaka an’ilay lobaka miverina,” hoy i Harvey. “Saingy raha tsy mitondra izany izy dia afaka manao ilay lobaka malalaka be ihany aho. Tsy mampaninona ahy izay anaovako eo. Te ho vita batisa fotsiny aho.”
Nihatokatoka i Ibu sy i Bapak. Niara-nandeha tany an-dakozia izy ireo, izay toerana nangina. Avy eo dia namoritra ny sandriny izy ireo ary nanondrika ny lohany.
I Harvey no nanao ny vavaka. “Ry Ray malala any An-danitra ô, misaotra Anao aho fa afaka atao batisa androany. Mba ampio ilay mpamily fiara karetsaka mba hitondra miverina ilay lobako. Tsy maninona ihany koa anefa raha tsy izay no mitranga.”
Taorian’ny vavak’izy ireo dia nandeha nanao ilay lobaka malalaka be i Harvey. Nahatratra hatreny amin’ny lohaliny izany.
“Harvey a!” Hoy rahavavy Putri niantso avy any an-dalan-tsara. “Ato ilay mpamily fiara karetsaka.”
Hitan’i Harvey sy Ibu teo akaikin’ny varavarana teo anoloana ilay mpamily fiara karetsaka. Nihazona ny lobak’i Harvey izy!
“Nitodika aho dia nahita azy ity teo amin’ny seza,” hoy izy. “Nihevitra aho fa mety anareo izany.”
“Misaotra betsaka,” hoy i Ibu.
Nalain’i Harvey teny amin’ilay lehilahy ilay lobaka. “Misaotra.”
Nitsiky ilay lehilahy ary nanao veloma sady nanofahofa tanana.
Vetivety dia tonga ilay fotoana nanombohana ny batisa. Nanao ’ny lobany i Harvey. Tena antonona tsara! Ary fotsy sy madio ity izy.
Tamin’i Harvey niditra tao amin’ny dobo fanaovana batisa dia mamanala ilay rano! Nanonona ilay vavaka i Bapak ary nanao batisa an’i Harvey. Nahatsapa ho madio sy tony tao anaty izy rehefa nivoaka avy tao anaty rano.
Nitarika an’i Harvey hivoaka ny dobo i Bapak, ary nandrakotra lamba famaohana malefaka ny sorok’i Harvey. Nieritreritra momba ireo olona rehetra izay nanampy sy nanohana azy i Harvey. I Ibu, Bapak, ilay mpamily fiara karetsaka, ary ny fianakaviany. Ary ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy koa.
Nofihinin’i Harvey i Bapak. “Marina ny anao. Ilay rano dia tena nangatsiaka!” Niara nihomehy izy ireo. Avy eo dia nijery ny mason’i Bapak i Harvey. “Saingy marina ihany koa ny anao amin’ny zavatra iray hafa. Mahatsapa fitiavana be dia be aho.”
Sary nataon’i Bethany Stancliffe