“Fanontanian’i Lou ho an’ny Fihaonambe,” Namana, septambra 2025, 4–5.
Fanontanian’i Lou ho an’ny Fihaonamben’ny Fiangonana
“Tokony handeha ho any amin’ny fetin’i Alice ve aho?” hoy i Lou nanoratra.
Tantara marina avy any Belzika.
Nahatsapa ho nientanentana i Lou rehefa nandrovitra ka nanokatra haingana ilay valopy manga. Manomana fetin’ny tsingerintaona nahaterahany i Alice, ilay namany akaiky indrindra, ary voasa izy!
Saingy rehefa namaky ilay fanasana i Lou dia nalahelo ny fony. Fety alahady indray ity, hoy izy tao an-tsainy.
Tsy mpamonjy fety amin’ny andro alahady ny fianakavian’i Lou. Mandany fotoana miaraka kosa izy ireo, sy mandeha miangona, ary manao zavatra hafa mba hahatsiarovana ny Mpamonjy.
Saingy sarotra kokoa ny handà ity fety ity. Amin’ny fomba ahoana no tsy hanatrehany ny tsingerintaona nahaterahan’ilay namany akaiky indrindra?
“Tsy mba afaka mandeha ve aho amin’ity indray mitoraka ity?” hoy i Lou nanontany ny ray aman-dreniny itamin’io alina io. “Fantatro fa zava-dehibe ny alahady. Saingy tsy tiako ny tsy hanatrika izany.”
“Safidy sarotra izany,” hoy i Dada. “Mangataka antsika ny Ray any An-danitra mba hanao ny Alahady ho andro masina. Saingy anao ny fanapahan-kevitra ny amin’ny fomba hanaovanao izany.”
Nofihinin’i Neny i Lou. “Amin’ity faran’ny herinandro ity ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany. Mety ho fanontaniana azonao apetraka angamba izany.”
Fomba nahazatra ny fianakavian’i Lou ny manoratra ny fanontaniana izay nananan’izy ireo mialoha ny fihaonambe. Avy eo mandritra ny fihaonambe dia nihaino valiny izy ireo.
Nisento i Lou. “Eny ary.”
Nosoratan’i Lou ilay fanontaniany tamin’ny fotoana fatoriana. Dia nivavaka izy. “Ray any An-danitra ô, tena te handeha ho any amin’io fety io aho, ary tsy haiko izay tokony hatao. Mba afaka hanampy ahy hahita valiny ve ianao rehefa mijery ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany aho?”
Andro vitsy taty aoriana dia nitangorona teo amin’ny seza i Lou sy ireo anadahiny. Tonga ny fotoan’ny fihaonambe! Nanao sary tao amin’ny kahieny i Lou nandritra ny hira fanokafana. Dia nanomboka ilay mpandahateny voalohany.
Nitraka i Lou. Niresaka momba ny andro Sabata ilay mpandahateny! Nilaza izy fa Andriamanitra dia nitahy ireo izay mitandrina ny didiny, na dia tsy tonga avy hatrany aza ilay fitahiana.
“Namaly sahady ny fanontaniako angamba ny Ray any An-danitra,” hoy i Lou. “Tena haingana izy izany!”
Ny ampitson’io dia nahita an’i Alice tany an-tsekoly i Lou tamin’ny fotoana fakan-drivotra. “Misaotra nanasa ahy ho any amin’ny fetinao,” hoy i Lou. Nifoka rivotra lalina izy. “Andro iray miavaka ho ahy sy ny fianakaviako ny alahady. Noho izany dia tsy afaka ny ho avy aho.”
“Eny ary,” hoy i Alice. “Malahelo aho fa tsy hanatrika ianao.”
“Izaho koa,” hoy i Lou. “Fa afaka hiaraka amiko handeha ho any amin’ny zaridaina filalaovana trampoline ve ianao amin’ny sabotsy? Amin’izay afaka miara-milalao sy mankalaza ny tsingerintaona nahaterahanao isika.”
“Tiako mihitsy izany!” hoy i Alice tamim-pitsikiana.
Nitsiky koa i Lou. Safidy sarotra natao ny tsy handeha ho any amin’ilay fety. Saingy fantany fa izany no zavatra tsara. Ary feno fankasitrahana izy fa namaly ny fanontaniany manan-danja ny Ray any An-danitra.
Sary nataon’i Flavio Remontti