“Labozia taratasy,” Namana, septambra 2025, 13.
Zavatra mahafinaritra
Labozia taratasy
Afaka ny ho fahazavana ho an’ny hafa isika rehefa manompo azy ireo (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 103:9).
-
Lokoy dia hetezo ireo singana labozia.
-
Aorony mamono fantsona iray ilay singa mahitsy zoro ary asio lakôly hipetaka.
-
Apetaho eo amin’ilay fantsona ny lelafo.
-
Apetraho amin’ny toerana izay ahafahanao mahita izany ny labozianao mba hampahatsiahy anao fa tokony ho fahazavana tahaka an’i Jesoa Kristy ianao.
Sary nataon’i Denise Holmes