“Tezitra loatra ka tsy afaka mivavaka”, Namana, janoary 2025, 4–5.
Tezitra loatra ka tsy afaka mivavaka
Nifoka rivotra mafy i Gabriela. Inona no azony hatao mba ho tony?
Tantara marina avy any Alemana.
“Tsy misy olona mahatakatra ny manjo ahy!” Hoy i Gabriela nivazavaza raha nanakaratoka ny vavaravan’ny efitrano fatoriany. Sarotra ny andro androany. Nisy olona iray nanaraby azy tany an-tsekoly. Ka rehefa tonga tany an-trano i Gabriela dia sorena sy nanana olana tamin’i Mutti (Neny).
Niantoraka teo am-pandriany i Gabriela ary nanomboka nitomany. Nikoriana teo amin’ny takolany ny ranomasony ary tsapany ho terin’ny hatezerana ny tratrany. Tsy tiany ny fahatsapana toy izany.
Tsaroany hoe nianatra izy tao amin’ny Kilonga fa afaka mivavaka amin’ny Ray any An-danitra izy isak’izay mila fanampiana. Te hanonona vavaka izy mba hanampy azy ho tony kokoa saingy tezitra loatra izy ka tsy afaka mifantoka. Nakimpiny ny masony ary nifoka rivotra mafy izy. Inona no azony hatao mba ho tony?
Rehefa afaka segaondra vitsivitsy dia nisy eriteritra tonga tao an-tsainy.
Eritereto ireo zavatra maha-velom-pankasitrahana anao.
Nosokafany ny masony ary nijery manodidina ny efitranony izy. Nisy sarin’i Mutti sy Vati (Dada) teo amin’ny rindrina. Tian’i Gabriela ny fianakaviany na dia rehefa sosotra tamin’izy ireo aza izy.
“Feno fankasitrahana ny amin’ireo ray aman-dreniko aho” hoy izy.
Avy eo dia nieriteritra momba an’i Gwendoly sy i Lydia ary Thomas izay zanaky ny mpiray tam-po amin-dreniny izy. Nizara ny kilalaon’izy ireo taminy foana izy ireo ary nanao izay hampihomehy azy. Tiany ny niara-nilalao tamin’izy ireo.
“Feno fankasitrahana ny amin’ireo zanaky ny mpiray tam-po amin’ny reniko aho”, hoy izy.
Avy eo dia nitazana avy teo am-baravarankeliny izy.
Teo am-pilentehana ny masoandro ary rakotra loko tsara tarehy ny lanitra: volom-boasary, mena, mavo ary mavokely.
“Feno fankasitrahana ny amin’ireo filentehan’ny masoandro aho”, hoy i Gabriela.
Ary avy eo dia nieritreritra zavatra maro hafa izy. Mahavelom-pankasitrahana azy ny sakafo antoandro nohaniny tany am-pianarana androany. Feno fankasitrahana ny amin’ireo namany izy. Feno fankasitrahana ny amin’ny trano ipetrahany izy.
Nahafinaritra ny nieritreritra momba ireo zavatra tokony hahavelom-pankasitrahana! Tsy tonga saina mihitsy i Gabriela taloha hoe tena maro be ireo zavatra tsara teo amin’ny fiainany.
Fantany fa ny Fanahy Masina no nanoro hevitra azy hieriteritra momba ireo fitahiana ananany. Tony ny fony amin’izao. Nahatsapa ho vonona ny hivavaka izy.
“Ry Ray any An-danitra o”, hoy izy. “Miala tsiny tamin’ny fahatezerako tamin’i Mutti. Misaotra Anao aho nanampy ahy hahatsapa ho tony sy faly indray. Misaotra Anao aho nandefa ny Fanahy Masina mba hampahatsiahy ahy ny amin’ireo fitahiana maro ananako. Amin’ny anaran’i Jesoa Kristy, amena.”
Nivoaka ny efitranoniny izy. Nahandro ny sakafo hariva tao an-dakozia i Mutti sy i Vati. Nofihininy i Mutti.
“Miala tsiny aho noho izaho tezitra taminao”, hoy i Gabriela.
“TSY MANINONA izany”, hoy i Mutti. “Misaotra anao niala tsiny.”
Nipetraka nanodidina ny latabatra nisy ny safako hariva izy ireo ary nanao vavaka ho an’ny sakafo. Avy eo dia nanan-kevitra i Gabriela!
“’Ndeha isika handeha hiodidina ny latabatra ka hilaza ny zavatra izay mahavelom-pankasitrahana azy ny tsirairay”, hoy izy.
Nitsiky i Vati. “Hevitra tsara izany!”
“Feno fankasitrahana ny amin’ny savony aho”, hoy i Mutti.
Nieritreritra kely aloha i Vati.
“Pizza,” hoy izy. Nihomehy izy rehetra.
Dia anjaran’i Gabriela avy eo. Efa fantany ny zavatra tiany hotenenina.
“Feno fankasitrahana ny amin’ny vavaka aho.”
Sary nataon’i Simini Blocker