“Ampianaro momba ny vavaka aho”, Namana, janoary 2025, 46–47.
Ireo zavatra fototra ao amin’ny filazantsara
Ampianaro momba ny vavaka aho
Ny vavaka no fomba iresahantsika amin’ny Ray any An-danitra. Mivavaka Aminy isika amin’ny anaran’i Jesoa Kristy.
Misaotra ny Ray any An-danitra isika noho ireo fitahiana omeny antsika.
Afaka mangataka Aminy an’ireo zavatra ilaintsika isika. Afaka mivavaka ho an’olon-kafa ihany koa isika.
Hihaino mandrakariva ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra!
Fotoana hanaovana sahanasa
Tondroy na ataovy anaty faribolana ireo sary izay mampiseho ny zavatra azonao entina am-bavaka. Inona ihany koa no azonao entina am-bavaka?
Sary nataon’i Daniela Sosa