“Ny tenin’ny Filazantsarako”, Namana, janoary 2025, 6.
Ireo tenin’ny Filazantsarako
Tadiavo ato amin’ity laharana Namana ity ireo teny sy andian-teny ireo!
Ny Fahitana Voalohany
Ny Fahitana Voalohany dia nitranga tamin’ny fotoana nitsidihan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamin’i Joseph Smith taorian’ny vavaka nataony. Naniry ny hahafantatra ny fiangonana tokony hidirany ho mpikambana izy. Nolazain’Izy Ireo tamin’i Joseph fa izy dia hanampy amin’ny fananganana ny Fiangonana marin’i Jesoa Kristy eto an-tany.
Ilay Alakely masina
Ny Alakely Masina no toerana nahazoan’i Joseph Smith ny Fahitana Voalohany. Tao amin’ilay ala teo akaikin’ny tranon’i Joseph tao Palmyra, New York, Etazonia izy io.
Famerenana amin’ny laoniny
Ny dikan’ny hoe mamerina amin’ny laoniny zavatra iray dia mamerina izany ho amin’ny toetran’izany teo aloha. Ny Famerenana amin’ny laoniny no ilay antsointsika hoe ny famerenan’i Jesoa Kristy ho eto an-tany indray ny Filazantsarany marina. Nanomboka tamin’ny Fahitana Voalohany hitan’i Joseph Smith ny Famerenana amin’ny laoniny. Mbola mandray fanambarana ho an’ny Fiangonana ny Filoha Russell M. Nelson amin’ny maha mpaminanintsika azy. Midika izany fa mitohy amin’izao fotoana izao ny Famerenana amin’ny laoniny!
Fanambarana
Ny fanambarana no fomba iresahan’ny Ray any An-danitra amintsika. Mandray fanambarana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina isika. Afaka mitondra fahatsapana hankao am-pontsika sy eritreritra hankao an-tsaintsika Izy.
Sary nataon’i Maddie Baker