“Ahoana no fomba hakanao namana?” Namana, janoary 2025, 38–39.
Valinteny avy aminao
Ahoana no fomba hakanao namana?
Nangataka torohevitra mikasika ny fomba hakana namana avy tamin’ny ankizy manerana izao tontolo izao izahay. Izao no nolazain’izy ireo.
Ny fomba hakako namana dia amin’ny alalan’ny fampahafantarako ny tenako sy ny fampisehoana ny zava-misy manodidina amin’ny olona vaovao. Atomboko amin’ny firesahana sy ny filalaovana miaraka amin’izy ireo. Namana tsara aho rehefa manampy ireo namako amin’ny zavatra manahirana azy ireo sy manampy ny hafa hahatsapa ho manana ny toerany.
Presley F., 10 taona, Kolombia-Britanika, Kanadà
Hiteny aho hoe: “manahoana” dia asaiko izy ireo hiara-hilalao amiko sy hiala voly.
Jett J., 8 taona, Queensland, Australie
Mitenena hoe: “manahoana” aloha dia manaova tsara fanahy avy eo.
Rachel C., 9 taona, Cotabato Atsimo , Filipina
Manao fandokafana vokatry ny fo aho.
Haleigh N., 10 taona, Idaho, Etazonia
Nitondrako poa-katsaka ilay namako. Tian’ny Ray any An-danitra hanompo ny hafa isika mba hanampiana azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy.
Allison K., 9 taona, Utah, Etazonia
Tiako ny mahita ny fomba fitondrantenan’ny namako manoloana olon-kafa. Ny fanalahidy mba hahatongavana ho namako dia ny fiainana fitsipika tsara.
Lesley A., 12 taona, Faritra Afovoany, Ghana