2025
Soratra Masina amin’ny fiteny Swahili
Desambra 2024


“Soratra masina amin’ny fiteny Swahili”, Namana, janoary 2025, 36–37.

Soratra masina amin’ny fiteny Swahili

Raha mba nisy zavatra azoko natao hanampiana mantsy a!, hoy i Jared nieritreritra.

Tantara marina avy any Aostralia.

Niditra tao amin’ny kilasin’ny sekoly Alahady i Jared ary niara-nipetraka tamin’ireo mpiara-mianatra taminy. Nahatsikaritra zazalahy iray izay tsy fantany niditra izy ary nipetraka teo amin’ny seza vitsivitsy lavitra azy.

Nitsiky tamin’ny iray kilasy Rahalahy Trudgen, mpampianatra an’i Jared. “Izy no Emmanuel”, hoy izy. “Vao nifindra teto Aostralia izy sy ny fianakaviany. Ity no Alahady voalohany atrehany ato amin’ny paroasintsika!”

Nieritreritra i Jared hoe mety ho sarotra izany hoe mankany amina paroasy iray vaovao izany. Hiezaka ny ho naman’i Emmanuel izy.

Navoakan-dRahalahy Trudgen ny soratra masiny. “’Ndeha isika rehetra hankao amin’ny 3 Nefia”, hoy izy.

Nosokafan’i Jared ny soratra masiny ary nanopy maso tany amin’i Emmanuel izy. Tsy nanana soratra masina izy.

Nitsiky be taminy i Jared sady nitanila tany aminy. “Manahoana, izaho no Jared”, hoy izy. “Te hiaraka hamaky soratra masina miaraka amiko ve ianao?”

Nitsiky koa i Emmanuel. “Tsy dia mahay fiteny Anglisy firy aho”, hoy izy. “Miala tsiny.”

“Inona no fiteny ampiasainao?”

“Swahili.”

Tsy nahay fiteny Swahili na dia kely aza i Jared. Tsy niteny firy izy sy i Emmanuel nandritra ny tapany sisa tamin’ny fotoam-pianarana.

Nandritry ny sakafo hariva tamin’io alina io dia notantarain’i Jared tamin’ny fianakaviany ny momba an’i Emmanuel.

“Mba ohatra an’ny olona mahafinaritra be ihany izy”, hoy i Jared. “Saingy tsy afaka mifankahazo resaka tsara izahay.”

Nihatokatoka nanaiky i Neny. “Miatrika zava-tsarotra maro i Emmanuel sy ny fianakaviany amin’izao fotoana izao”, hoy izy. “Voatery nandao ny fireneny tampoka izy ireo noho ny zavatra ratsy nitranga tany. Nandao ny zava-drehetra nananany izy ireo.”

Nikentrona i Jared. Ohatra an’ny ahoana izany hoe voatery handao ny fonenanao izany ianao rahampitso ka hifindra any amin’ny firenena vaovao be mihitsy? Tena ho henjana be izany!

Raha mba nisy zavatra azoko natao hanampiana an’i Emmanuel mantsy, hoy izy nieritreritra. Inona anefa?

Tsy nitsahatra nieritreritra momba an’i Emmanuel i Jared teo am-piomanany handeha hatory iny. Nipetraka teo amin’ny latabany izy niaraka tamin’ny Bokin’i Môrmônaizay azy ka namaky andininy vitsivitsy. Nahatonga azy hanana fahatsapana tsara foana ny mamaky soratra masina. Anio alina izany dia nampatsiahy azy koa fa tsy mba nanana soratra masina hovakina i Emmanuel. Nakaton’i Jared ny soratra masiny ka nibanjina ilay fonony izy. Avy eo dia nitsamboatra avy teo amin’ny sezany izy ka nihazakazaka nankany an-dalantsara.

“Neny a!” hoy izy niantso. “Fantatro hoe amin’ny fomba ahoana no hanampiana an’i Emmanuel!”

Ny Alahady herin’io dia tsy andrin’i Jared izay hahitana an’i Emmanuel. Niara-nipetraka tamin’ireo diakona hafa teo anoloan’ny trano fiangonana izy ary niandry niaraka tamin’ny Bokin’i Môrmôna iray vaovao teo am-pofoany. Nampian’ireo misiônera izy mba hahazoany io tahadika miavaka io ho an’i Emmanuel irery ihany.

Rehefa niditra ny trano fiangonana i Emmanuel sy ny fianakaviany dia nitsiky i Jared ary nanofahofa tanana taminy. Toa sahiran-tsaina i Emmanuel rehefa nipetraka teo akaikin’i Jared. Saingy nihiratra ery ny masony rehefa natolotr’i Jared azy ilay Bokin’i Môrmôna.

Tanana mifanakalo Bokin’i Môrmôna amin’ny fiteny Swahili

“Ho ahy ve ity?” Hoy i Emmanuel nanontany.

Nanetsika ny lohany ho fanekena i Jared.

Hita ho faly sy nientanentana ery i Emmanuel. Navadibadiny ireo pejin’ilay Bokin’i Môrmôna vaovaony. “Swahili!” hoy izy. Nitsiky tamin’i Jared izy no sady namihina ilay boky teo an-tratrany. “Misaotra!”

Nahatsapa hafanana tao am-pony i Jared rehefa namaly tamin’ny tsiky ihany koa. Fantany fa tsy afaka manao izay hahatsara ny zava-drehetra ho an’i Emmanuel izy ary tsy mbola afaka mifampiresaka tsara ihany izy ireo. Saingy TSY NANINONA izany. Tsy voatery hitovy fiteny izy ireo vao afaka ny ho mpinamana!

Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Keith Negley