2025
Ny Fahitana Voalohany
Desambra 2024


“Ny Fahitana Voalohany”, Namana, janoary 2025, 26–28.

Tantara ao amin’ny soratra masina

Ny Fahitana Voalohany

Azonao vakina ao amin’ny Joseph Smith—History 1:1–20 io tantara io.

I Joseph Smith mijery lehilahy iray mitory teny amina vondron’olona iray

Fony i Joseph Smith mbola kely dia nisy fiangonana maro nampianatra zavatra samihafa momba an’i Jesoa Kristy. Tsy fantatr’i Joseph izay fiangonana tokony hidirany ho mpikambana.

I Joseph Smith mamaky Baiboly

Indray andro izy dia namaky ny Jakoba 1:5 tao amin’ny Baiboly. Nilaza izany fa raha mila fahendrena isika dia afaka manontany an’ Andriamanitra. Nanapa-kevitra ny hanao izany i Joseph.

I Joseph Smith mandeha mankao anaty ala

Indray andro marainan’ny lohataona kanto iray izay dia nandeha nankany anaty ala i Joseph mba hivavaka tamin’ny Ray any An-danitra.

I Joseph Smith mivavaka

Nandohalika i Joseph ary nanomboka nivavaka. Saingy avy eo izy dia nahatsapa haizina nanodidina azy. Natahotra i Joseph. Nangataka fanampiana tamin’ Andriamanitra izy.

Ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy miseho amin’i Joseph Smith

Tampoka teo dia nahita hazavana namiratra nidina avy any an-danitra i Joseph. Nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nitsingevaheva teo ambony izy. Nanonona ny anaran’i Joseph ny Ray any An-danitra. Avy eo dia nanondro an’i Jesoa Kristy Izy sady niteny hoe: “Ity no Zanako Malalako. Henoy Izy!”

Jesoa Kristy

Nolazain’i Jesoa tamin’i Joseph fa tsy tokony hiditra ho mpikambana na tamin’iza na tamin’iza tamin’ireo fiangonana nisy izy.

I Joseph Smith mandohalika sy miandrandra

Hanampy amin’ny famerenana amin’ny laoniny eto an-tany ny fahafenoan’ny filazantsara i Joseph.

I Joseph Smith nitsiky sady niala tao an’ala

Tsy sahiran-tsaina intsony i Joseph. Feno hafaliana izy! Fantany fa tia Azy Andriamanitra. Ny olona sasany dia tsy nino azy ho nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy saingy fantany fa marina izany.

Tantara amin’ny endrika PDF