“Mandeha any am-piangonana miaraka amin’i Ghuka”, Namana, janoary 2025, 30–31.
Mpamaky lay tany amin’ny tany rehetra
Mandeha any am-piangonana miaraka amin’i Ghuka
Tsy mbola nahita fiangonana tahaka ity mihitsy i Kelvin taloha.
Tantara marina avy any Kenya.
Navangongon’i Kelvin tamim-pitandremana teo amin’ny talantalana ireo tavoahangin-dronona mamirapiratra. Vao hainga izy no nifindra mba hiara-hipetraka amin’ny raibeny sy ny renibeny tany amin’ny tanàna iray ivelan’ny tanan-dehibe. Nanana tsena fivarotana ronono izy ireo ary tia nanampy i Kelvin.
“Hamonjy fiaraha-mientana any am-piangonanay izahay anio alina”, hoy i Ghuka (Dadabe). “Te hiaraka aminay ve ianao? Hahafinaritra ilay izy.”
Tia zavatra mahafinaritra i Kelvin. “Eny!” hoy izy. “Hiaraka aminareo aho!”
Rehefa avy nanidy tsena izy ireo dia nandeha nankany amin’ilay fiaraha-mientana i Kelvin sy i Dadabe sy Nenibe. Nandalo tsena hafa izay nivarotra ravin-damba sy voankazo ary zavamaniry tao anaty tavy izy ireo. Rehefa afaka kelikely dia tonga tany am-piangonana izy ireo.
Nijoro nivanàka i Kelvin raha nibanjina ilay trano tsara tarehy. Tsy mbola nahita fiangonana tahako io mihitsy izy taloha. Misy vokovoko avokoa teny an-tampon’ny ankabeazan’ny fiangonana saingy tsy nisy teo amin’ity iray ity.
Rehefa tafiditra tao anatiny dia nampahafantatra azy tamina olona tsara fanahy be dia be ny raibe sy ny reniben’i Kelvin. Nihinana sakafo mafilotra izy ireo ary nanao kilalao.
Saingy liana te hahafantatra misimisy i Kelvin. Koa nandehadeha nanerana ny lalantsaran’ilay fiangonana izy. Nahita sary hosodoko maro misy an’i Jesoa Kristy izy. Avy eo izy dia niditra tao amina efitrano fianarana iray ary nahatsikaritra sary vitsivitsy teo amin’ny rindrina.
Iza ireo olona ireo? Hoy i Kelvin nanontany tena.
Rehefa avy nandao ilay efitrano izy dia nahita zatovolahy anankiroa teo an-dalantsara. Nanao lobaka fotsy sy karavato izy ireo. “Manahoana”, hoy ny iray tamin’izy ireo. “Misiônera izahay. Iza no anaranao?”
Nampahafantatra ny tenany i Kelvin. Dia nanontany izy avy eo hoe: “Iza kay io lehilahy eo amin’io sary io?” Niverina nanondro ny iray tamin’ireo sary tao amin’ilay efitrano izy.
“Ny mpaminany io”, hoy ilay misiônera iray hafa. “Fantatrao ve hoe inona no atao hoe mpaminany?”
Nitsiky i Kelvin ary nanetsiketsika ny lohany hanehoana hoe tsia.
“Ny mpaminany dia iraka avy amin’ Andriamanitra”, hoy ilay misiônera. “Mampianatra antsika ny zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatsika izy.”
Rehefa nandeha nody niaraka tamin’ny raibeny sy ny renibeny i Kelvin io alina io dia nihazona tahadikan’ny Bokin’i Môrmôna iray izay nomen’ireo misiônera azy. Nientanentana ery izy ny hianatra misimisy momba ireo mpaminany sy ity fiangonana vaovao.
“Azonao vakina aminay ve izany?” Hoy i Ghuka nanontany rehefa tonga tany an-trano izy ireo. Tsy nahay namaky teny ny raibe sy ny reniben’i Kelvin.
“Eny!” Hoy i Kelvin. Nosokafany ny Bokin’i Môrmôna dia novakiny tamin’ny feo mafy. Tsy takany daholo ireo teny saingy nahatsapa zavatra miavaka izy.
Ny Alahadin’io i Kelvin dia niverina nandeha nankany am-piangonana niaraka tamin’ny raibeny sy ny renibeny. Nankany amin’ny kilasy iray ho an’ny ankizy rehetra izy. Kilonga no niantsoana ilay izy. Nahazo namana be dia be izy! Nianatra kokoa momba ireo mpaminany sy i Jesoa izy.
Tonga nampianatra misimisy kokoa an’i Kelvin ireo misiônera. Nametrahan’izy ireo fanontaniana iray izy indray andro. “Hanaraka ny ohatry ny Mpamonjy ve ianao ka hatao batisa?”
Nitsikitsiky fatratra i Kelvin. “Eny!”
Tamin’ny andro nanaovana batisa azy i Kelvin dia niditra tao anaty rano. Somary nangatsiaka ilay rano. Saingy rehefa nijery manodidina azy i Kelvin dia nahita ny raibeny sy ny renibeny sy ireo misiônera ary ireo namany vaovao rehetra tao am-piangonana. Nahatsapa ho tena tiana izy!
Rehefa nisafidy ny hanara-dia an’i Jesoa Kristy i Kelvin dia izy no mpamaky lay tao amin’ny fianakaviany. Tsy andriny izay hanohizana hanarahan-dia Azy, sy hanampy ny hafa hanaraka Azy koa!
Sary nataon’i Kristin Sorra