“Ireo namana manerana izao tontolo izao”, Namana, janoary 2025, 14–15.
Ireo namana manerana izao tontolo izao
Eva B., 6 taona, Antwerp, Belzika
Eduardo B., 10 taona, Pichincha, Ekoatera
“Nahita ireo takela-bolamena i Joseph Smith”, Abigail H., 10 taona, Kalifôrnia, Etazonia
Elizabeth J., 8 taona, Caroline du Nord, Etazonia
“Ny Fiangonako”, Russell J., age 9, Arkansas, Etazonia
Boone M., 5 taona, Utah, Etazonia
Ny tanjoko dia ny hizara ireo talentako. Izaho no mihira dia ny anadahiko kosa mitendry pianô. Te hanampy ny hafa hahatsapa amin’ny alalan’ny mozika ny fitiavan’ny Mpamonjy aho.
Elena A., 9 taona, Porto Rico
Tiako ny mankany am-piangonana isaky ny Alahady sy mianatra momba ny filazantsara. Manamafy orina ny fototro ara-panahy sy manampy ahy amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra sarotra ny fankanesana any am-piangonana.
Daniel C., 8 taona, Hawaii, Etazonia
Tamin’izaho natao batisa dia tsapako fa teo akaikiko teo mihitsy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Niavaka ny batisako satria niaraka tamin’ny zanaky rahavavin-dreniko anankiroa izay mitovy taona amiko aho.
Ezra C., 9 taona, Emirà an’i Dubai, Emirà Arabo Mitambatra
Nitarika ny hira ho an’ny fandaharan’ny Kilonga tao am-piangonana aho! Tiako ny mihira ireo hiran’ny fihirana. Nitaona ahy hanomboka hianatra hitendry pianô avy amin’ny misiônera zokiolona iray izany. Afaka mitendry hira vitsivitsy avy ao amin’ny boky fihirana aho.
Gabriella G., 10 taona, Harare, Zimbabwe
Mampientanentana ahy ny ho lasa misiônera tahaka an’i Jesoa sy hizara ny filazantsara.
Luciano C., 9 taona, Macau, Sina
Manompo ny Ray any An-danitra aho amin’ny alalan’ny fanaovana asa feno hatsaram-panahy kisendrasendra aman’olona.
Ellie W., 11 taona, Maryland, Etazonia