2025
Hitady ala kely ho ahy aho
Desambra 2024


“Hitady ala kely ho ahy aho”, Namana, janoary 2025, 18–19.

Afaka mitendry izany aho!

Hitady ala kely ho ahy aho

Iainana tsara [naoty mainty] = 50–65

Mozika amin’ny endrika PDF

Joseph Smith dia nandeha tany an’ala;

niantso ny Ray fa naniry ny hahalala.

Raha nivavaka izy, dia nazava ny lanitra,

ka niseho i Jesoa sy ny Ray any An-danitra,

tonga nijoro hanome

‘lay valim-bavaka re.

Fiverenan-kira: Hitady ala kely ho ahy aho,

tsy handre ‘reo feo sy kotaba etỳ,

Hanao vavaka aho;

fa Izy haiko hoe ao.

Hitady ala kely ho ahy aho,

Feno safidy ny fiainana etỳ.

Lala-misampana havanana, havia.

Raha mivavaka amin’ny anaran’i Jesoa aho,

ny Fanahy no hamaly ahy ao am-poko ao.

Eo foana mantsy ny Ray,

vonona hatrany hamaly ahy.

Fiveranan-kira

Hitady ala kely ho ahy aho,