2025
Tonga soa ry namana!
Desambra 2024


“Tonga soa ry namana!” Namana, jan. 2025, 1.

Tonga soa ry namana!

Taona vaovao hianaran-javatra miaraka amin’ny Namana izao!

Mankanesa any amin’ny pejy 24 sy 26 raha hamaky momba ny Fahitana Voalohany sy ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonana. Azonao atao mihitsy aza ny manamboatra ho anao manokana ny sarin’ny toerana sy ny zava-nitranga tamin’ny Fahitana Voalohany ary mizara ilay tantara (pejy 13).

Vakio ny hafatra iray avy amin’ny Filoha Nelson momba ny antony maha-zava-dehibe ny Famerenana amin’ny laoniny (pejy 2). Mitovy amin’ilay Fiangonan’i Kristy fony Izy teto an-tany ihany ny Fiangonana!

Mety misy teny sarotra izay tsy mbola fantatrao rehefa mianatra momba ny tantaran’ny Fiangonana ianao. Mba hahazoana fanampiana dia jereo ny pejy 6.

Mianara finaritra!

Namana