2025
Margo sy Paolo
Desambra 2024


“Margo sy Paolo”, Namana, janoary 2025, 33.

Margo sy Paolo

Fehin-tànan’ny finamanana

I Neny sy i Margo ary i Paolo any an-tsena

Manina an’i Laura aho. Halako mihitsy rehefa mifindra monina ny namako.

Izaho koa. Ratsy kokoa noho ireo fotoana tsy maintsy nifindrantsika ilay fahatsapana.

I Neny sy i Margo ary i Paolo misotro sy mihinana haninkanina

Mbola afaka miantso azy ianao! Na manorata taratasy.

Angamba.

I Margo sy i Paolo mihazona ny zava-pisotron’izy ireo sady malahelo ny tarehiny

Mampalahelo rehefa misy namana lasa. Saingy afaka ny ho feno fankasitrahana isika noho ny fitahiana azo avy amin’ny finamanana tamin’izy ireny.

I Margo sy i Paolo mijery ny fehin-tànan’ny finamanana azy ireo

Tsaroanao ve ny fotoana nanomezan’i Laura antsika ireo fehin-tànan’ny finamanana ireo tamin’ny fitsingerenan’ny andro nahaterahantsika?

Ie! Dia nanoratra ireto hafatra feno hatsaram-panahy ireto ho antsika koa izy.

I Neny sy i Margo mifampiresaka

Ohatra an’ny hoe namana tsara kosa izy izany an.

Ie tena izany mihitsy izy! Tsara fanahy foana tahaka an’i Jesoa izy. Te ho namana tsara koa aho.

I Neny sy i Margo ary i Paolo mandao ny tsena

He, angamba afaka mandefa fehin-tànan’ny finamanana ho an’i Laura isika.

Andao homena koa i Lucas sy i Julia!

Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Katie McDee