“Ho an’ny ankizy lehibe”, Namana, janoary 2025, 34–35.
Ho an’ny ankizy lehibe
Teny avy aminao
Fantatro fa marina ny Bokin’i Môrmôna ary mpaminanin’ Andriamanitra i Joseph Smith. Rehefa mivavaka aho dia manana fahatsapana tsara ao anatiko.
Dirk B., 8 taona, Nevada, Etazonia
Ny efitrano famehezana no efitrano tiako indrindra ao amin’ny tempoly. Fantatro fa indray andro any aho dia hanambady sy ho voafehy mandrakizay ao amin’ny tempoly. Tiako ny mahita ny tempoly.
Isabel R., 10 taona, Ceará, Brezila
Goban’ny finamanana
-
Hetezo ilay môdely.
-
Aforeto manaraka ireo tsipika ilay môdely ary araiketo amin’ny lakaoly ireo sisiny mba hahazoana goba.
-
Ataovy mikodiadia ilay goba mba hahitana hevitra momba ireo zavatra hiarahana manao amin’ny namana iray. (Tsarovy: Afaka ny ho namana ihany koa ireo olona ao amin’ny fianakaviana an!)
-
Mahandroa sakafo maivana! (Andramo ilay lavoanina nialina andro ao amin’ny pejy 12.)
-
Manompoa olona iray. Raha azonao atao dia ataovy mangingina tsy misy mpahafantatra izany.
-
Ataovy ny sarinareo tsirairay avy. Aza aseho raha tsy efa vitanao izany!
-
Mamorona kilalao azo lalaovina any ivelan’ny trano.
-
Mitanisà zavatra dimy tianareo momba anareo avy.
-
Soraty ny hevitrao manokana!
Lala-mifampidipiditra ao an’ala
Tadiavo ao amin’ilay lala-mifampidipiditra ao an’ala ny lalanao mankany amin’ny tranon’ny fianakaviana Smith.
Telo mitandahatra
Lalaovy miaraka amina namana iray ity! Mifandimbiasa manoratra X na O ao amin’ireo toerana malalaka mandra-pahazoan’ny olona iray telo mitandahatra.
Sary nataon’i Brooke Smart