2025
Taratasy avy amin’ny namana
Desambra 2024


“Taratasy avy amin’ny namana”, Namana, janoary 2025, fonony any aoriana.

Taratasy avy amin’ny namana

Aiza aho no mamaky ny Namana

Ankizivavy mihazona tahadikan’ny gazetiboky Namana navoaka amin’ny teny Espaniôla

I Karla M., 11 taona, dia mamaky ny Namana amin’ny fiteny Espaniôla any Katalônia, Espaina.

Mahita ny tempoly no mahafinaritra ahy

Ankizivavy kely manao akanjo lava fotsy, mijoro eo anoloan’ny varavaran’ny tempoly

Nitsidika ny Tempolin’i Cochabamba Bolivia i Gabriely Q., 3 taona.

Sarim-biby natao amin’ny alalan’ny dian-tanana

Ankizilahy kely roa mihazona sarim-biby vita tamin’ny dian-tanana

Nahafinaritra anay ery ny nanamboatra biby tamin’ny alalan’ny fampiasana ny tananay (ôkt. 2023)!

I Arthur sy i Hector P., 3 sy 6 taona, Minas Gerais, Brezila

Manan-javatra hozaraina ve ianao? Alefaso aty aminay amin’ny alalan’ny fampiasana ilay taratasy fenoina etsy ambany.