“Maneho ny fiarahabana avy aty Estonia!” Namana, janoary 2025, 8–9.
Maneho ny fiarahabana avy aty Estonia!
Any Eorôpa avaratra sy manamorona ny Ranomasina Baltika i Estonia. Olona eo ho eo amin’ny iray tapitrisa eo no mipetraka any.
Masoandro baliaka amin’ny misasakalina
Mandritra ny fotoam-pahavaratra any Estonia dia misy herinandro vitsivitsy isian’ny masoandro baliaka amin’ny misasakalina. Taraiky tsy toy ny mahazatra ny filentehan’ny masoandro ka izany dia mahatonga hazavana fotsy eny amin’ny lanitra mandritra ny alina.
Trano any an’ala
Rakotr’ala ny antsak’i Estonia! Biby maro no monina anaty ala, anisan’izany ny lynx (karazana sakadia), castors, amboadia sy loutre ary ny lambo.
Ny renivohitra
I Tallinn no renivotr’i Estonia. Iray amin’ireo tanàna tranainy indrindra any Eorôpa Avaratra izy io.
Fetiben’ny hira sy dihy
Ampahany manan-danja eo amin’ny kolontsaina Estoniana io fetibe io. Atao isaky ny dimy taona izy io ary nahazo mpanatrika hatramin’ny 100.000 isa.
Firenena nosy
Manana nosy mihoatra ny 2000 isa i Estonia. Maro amin’ireo nosy ireo no kely bilitika, koa mipetraka eo amin’ny tanibe sy ny any amin’ireo nosy lehibe kokoa ny ankamaroan’ny olona.
Sary nataon’i Greg Paprocki