2025
Ilay solomaso very
Desambra 2024


“Ilay solomaso very”, Namana, janoary 2025, 44–45.

Ilay solomaso very

Tantara marina avy any Bolivia.

Solomaso

Andro fidirana tany an-tsekoly tamin’izay. Faly ery i Andrés! T1 izy amin’izao. Efa zaza lehibe izy!

Reny sy zazalahy mankany an-tsekoly

Saingy nony tonga tany an-tsekoly izy dia toa ngezabe sy mampatahotra izany ilay izy, eny fa na dia ho an’ny ankizy lehibe aza. Notazoniny mafy ny tanan’i Mami.

“TSY HANINONA izany io.” Nitsiky i Mami. “Arahabao ny mpampianatra. Manaova tsara fanahy amin’ny mpiara-mianatra. Dia aza hadinoina ny mitandrina tsara ny solomasonao.”

Ankizilahy mitsiky manao solomaso

Herinandro lasa izay no nahazoan’i Andrés ny solomasony voalohany. Nampahatsiahy azy foana ny ray aman-dreniny mba hitandrina izany.

Nanofahofa tanana nanao veloma i Mami. “Mirary tontolo andro mahafinaritra!”

Saingy tsy nahafinaritra ny tontolo andron’i Andrés. Nisy zavatra ratsy nitranga!

Nihazakazaka nankeny amin’i Mami izy rehefa avy nianatra. “Very ny solomasoko”, hoy izy nitomany. “Nojereko hatraiza hatraiza fa tsy hitako ilay izy!”

“Andriakaky ô!” Nitaintaina i Mami. “Andao hangataka ny Ray any An-danitra mba hanampy antsika.”

“Mety handaitra ve izany hoy ianao?” hoy izy nanontany.

“Andao handramana dia ho hita eo e. Mihaino foana ny vavaka ataontsika ny Ray any An-danitra”, hoy i Mami.

Reny sy zazalahy mivavaka

Nivavaka i Andrés sy i Mami. Nangataka ny Ray any An-danitra izy ireo mba hanampy an’i Andrés hahita ny solomasony.

Ny ampitson’io tany an-tsekoly dia mbola nalahelo i Andrés. Avy eo dia nisy ankizilahy iray nanatona azy.

Ankizilahy mamerina solomaso amin’ny tompony

“Anao angamba ity.” Nanolotra solomaso ilay ankizilahy. “Hitako teo amin’ny kianja filalaovam-baolina ity.”

Noraisin’i Andrés ilay solomaso. Azy ilay izy! Gaga be izy.

Ankizilahy manao solomaso eo an-tokontanin-tsekoly

Rehefa avy nianatra izy dia nihazakazaka nankany amin’i Mami sady nohifininy mafy izy.

“Hitanao ny solomasonao e!” hoy izy. “Tena faly be izao ianao manana an’iny.”

“Faly mihitsy aho ka!” Hoy i Andrés. “Saingy vao mainka faly kokoa aho noho ny zavatra nianarako.”

“Dia inona izany?”

Nitsikitsiky be i Andrés. “Tena mandaitra ny vavaka!”

Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Susanna Teodoro