2025
Tahaka an’i Joseph mihitsy
Desambra 2024


“Tahaka an’i Joseph mihitsy”, Namana, janoary 2025, 4–5.

Boky ho an’ny ankizy mianatra mamaky teny

Tahaka an’i Joseph mihitsy

Tena nahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ve i Joseph Smith?

Tantara marina avy any Filipina.

Nievotrevotra teo amin’ny seza teo akaikin-dreniny i Lhensay raha namakivaky ny tanàna ny jeepney, bus izay Jeep kely voaravaka, nandehanan’izy ireo. Ny alahady no andro mandritra ny herinandro izay tian’i Lhensay indrindra! Tiany ny mankao amin’ny Kilonga sy mianatra momba an’i Jesoa Kristy.

Nijanona teo amin’ny toerana fijanonan’izy ireo ilay jeepney. Notantanan’i Neny i Lhensay raha nandeha nankany am-piangonana izy ireo.

Reny sy zanakavavy mandeha an-tongotra mankany am-piangonana

Taorian’ny fivoriana fanasan’ny Tompo dia nankany amin’ny Kilonga niaraka tamin’i Maria namany i Lhensay. Nisy sarina zatovolahy iray mivavaka ao an’ala teo amin’ilay solaitrabe tao.

“Manahoana!” Nanondro ilay sary Rahavavy Cruz izay mpampianatra azy ireo. “Misy mahafantatra ve hoe iza io?”

Ankizy ao amin’ny kilasin’ny Kilonga

“Joseph Smith io!” Hoy i Lhensay.

Nitsiky Rahavavy Cruz. “Eny, marina izany. Dia inona no nataon’i Joseph Smith?”

Niverenan’i Lhensay nojerena ilay sary. Fantany fa mpaminany i Joseph Smith saingy tsy nahafantatra zavatra hafa betsaka ankoatra izay izy.

“Izy no mpaminany voalohan’ny fiangonantsika” hoy i Maria.

“Mbola marina indray!” hoy Rahavavy Cruz. “Fony i Joseph mbola kely dia tsy fantany hoe inona no fiangonana tokony hidirana ho mpikambana. Nandeha tany an’ala izy ary nivavaka tamin’ Andriamanitra mba hahafantarana hoe iza no marina. Nangataka famelana ny fahotany ihany koa izy. Rehefa nivavaka izy dia nisy hazavana namirapiratra be niseho. Fantatrao ve hoe iza no tao anatin’izany hazavana izany?”

Niandry i Lhensay sy ny iray kilasy.

Nametraka sary iray hafa teo amin’ny solaitrabe Rahavavy Cruz. Nampiseho lehilahy roa nijoro nitsingevaheva teo ambonin’i Joseph Smith io sary iray io. Nanao akanjo fotsy rebareba sady namirapiratra izy ireo.

“Naneho ny tenany tamin’i Joseph ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy”, hoy Rahavavy Cruz. “Nolazain’izy ireo taminy fa izy no hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa. Fahitana Voalohany no iantsoantsika azy io.”

Nanangana ny tanany i Lhensay no sady nampibaribary ny masony. “Tena nisy ve izany?” hoy izy nanontany.

Naneho eny tamin’ny lohany Rahavavy Cruz. “Eny, tena nisy!”

Nahatsapa hafanana tao am-pony i Lhensay. Fantany fa marina ny zavatra nolazain-dRahavavy Cruz.

Tamin’io alina io i Lhensay dia tsy nitsahatra nieritreritra momba an’i Joseph Smith. “Neny a, ahoana no ahafahako mahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa tahaka an’i Joseph Smith?” hoy izy nanontany.

Ankizivavy mamihina an-dreniny

Nofihinin’i Neny Lhensay. “Tsy hahita ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tahaka an’i Joseph Smith ny ankamaroantsika. Saingy mbola afaka miresaka amintsika amin’ny alalan’ny eritreritra sy fahatsapana avy amin’ny Fanahy Masina Izy Ireo. Avy eo ianao dia afaka mahafantatra fa miaraka aminao foana Izy Ireo.”

Nieritreritra ilay fomba nahatsapany hafanana tao am-pony i Lhensay rehefa nitantara tamin’izy ireo momba ny Fahitana Voalohany Rahavavy Cruz. Izany no Fanahy Masina, izay nandefa hafatra avy amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy! Nitsiky izy dia namihina an’i Neny koa. Niresaka taminy tahaka ny nataon’Izy Ireo tamin’i Joseph Smith Izy Ireo!

Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Shawna J. C. Tenney