2025
Lavoanina nialina andro
Desambra 2024


“Lavoanina nialina andro”, Namana, janoary 2025, 32.

Ndao isika hahandro e!

Lavoanina nialina andro

  • Lavoanina voatoto1/2 kaopy (50 g)

  • Ronono 1/2 kaopy (120 ml)

  • Yaourt tsy misy hanitra na misy hanitra 1/4 kaopy (60 ml)

  • Tantely na zavatra hafa hoentina manamamy

  • Zavatra atao haingony eo ambony (voa, voankazo, potika sokola, kanelina, sns.)

  1. Araraho ao anatina bocal na fitoeran-javatra hafa misy sarony ny lavoanina. Ampio yaourt. Arotsaho eo amboniny ny ronono ary haroy tsara.

  2. Hidio ilay fitoeran-javatra ary ataovy ao anatin’ny vata fampagatsiahana ny alina manontolo (na mandritry ny adiny roa farafahakeliny).

  3. Ampio tantely ary afangaroy avy eo ilay lavoanina ka ampio izay zavatra tianao hatao haingony eo amboniny!

Fomba fahandro amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Alyssa Tallent