2025
Karatra momba ny tempoly
Desambra 2024


“Karatra momba ny tempoly”, Namana, jan 2025, 12.

Karatra momba ny tempoly

Tempolin’i Kirtland

  • Io no tempoly voalohany naorina taorian’ny namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Tamin’ny Alahadin’ny Paska tamin’ny 1836, i Jesoa Kristy dia namangy an’i Joseph Smith tao amin’ny Tempolin’i Kirtland.

  • Teo am-panokanana ilay tempoly dia nisy anjely niseho!

Tempolin’i Helsinki Finlande

  • Rehe nisokatra io tempoly io dia nampiasan’ireo mpikambana avy amina hasin’ora 12 samy hafa.

  • Fiteny ampiasaina ao amin’io tempoly ao avokoa ny fiteny Estoniana, Finlandey, Letoniana, Litoaniana ary ny Rosiana.

  • Mirefy 45 m ny halavan’ilay tilikambo lehibe eo amin’ny tempoly ary vita amin’ny varahina izany.

Tempolin’i Hong Kong Sina

  • Indray alina ny Filoha Hinckley dia nifoha ka nanao sarisary izay nampiasain’ny departemanta misahana ny tempoly mba hananganana ilay tempoly.

  • Tamin’ny 1996 izy io dia natokana ho “toera-masina hanjakan’ny fiadanana” teo anivon’ny tanàn-dehibe iray izay feno olona mifanaretsaka.

  • Misy rihana efatra io tempoly io.

Karatra momba ny tempoly

Sary nataon’i Rachel Erickson