2025
Manomboka ny famerenana amin’ny laoniny
Desambra 2024


“Manomboka ny famerenana amin’ny laoniny”, Namana, janoary 2025, 24–25.

Manomboka ny famerenana amin’ny laoniny

Fantaro ny fomba nitarihana an’i Joseph Smith mba hamerina amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

Sary maneho an’i Palmyra, New York
  1. Palmyra, New York (1820): Teto i Joseph Smith sy ny fianakaviana no nipetraka. Niangona tany amin’ny fiangonana samy hafa ny olona rehetra tao amin’ny fianakavian’i Joseph ka tsy nahafantatra izay fiangonana tokony hidirany ho mpikambana i Joseph. Namaky tao amin’ny Baiboly izy hoe: “Raha misy ianareo tsy manam-pahendrena, aoka izy hangataka amin’ Andriamanitra” (Jakoba 1:5).

    Sary maneho ny Fahitana Voalohany
  2. Ilay Alakely masina (lohataonan’ny taona 1820): Nivavaka i Joseph Smith ary nangataka tamin’ Andriamanitra hoe inona no fiangonana tokony hidirany ho mpikambana. Niseho taminy ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Nolazain’izy Ireo taminy fa tsy tokony hiditra ho mpikambana na tamin’iza na tamin’iza tamin’ireo fiangonana nisy izy. Nantsoin’izy Ireo i Joseph mba hanampy hamerina amin’ny laoniny eto an-tany ny filazantsara fenon’i Jesoa Kristy.

    Sary maneho ny tranon’i Joseph Smith
  3. Efitranon’i Joseph (1823): Namangy an’i Joseph Smith ny anjely Môrônia. Nambarany tamin’i Joseph ny momba ireo takela-bolamena izay misy ny filazantsara fenon’i Jesoa Kristy. Teo am-pitenenan’i Môrônia dia nahita fahitana momba ny toerana nilevenan’ireo takelaka i Joseph.

    Sary maneho ny anjely Môrônia niseho tamin’i Joseph Smith teo amin’ny Havoan’i Komôrà.
  4. Ny Havoan’i Komôrà (1827): Nomen’ny anjely Môrônia an’i Joseph Smith teo amin’ny Havoan’i Komôrà ireo takela-bolamena. I Joseph ihany koa dia nandray fitaovana manokana izay niara-nalevina tamin’ireo takelaka. Nomanin’ Andriamanitra ireo mba hanampy azy handika ireo takelaka. Lasa Bokin’i Môrmôna ireo takelaka vita dikan-teny mba hahafahan’ireo zanak Andriamanitra rehetra mamaky ny Teniny.

Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Adam Koford