“Natao ho anao ny Famerenana amin’ny laoniny”, Namana, janoary 2025, 2–3.
Avy amin’ny Fiadidiana Voalohany
Natao ho anao ny Famerenana amin’ny laoniny
Namboarina avy tamin’ny “Henoy Izy”, Liahona, mey 2020, 88–92.
Midika inona aminao ny hoe naverina amin’ny laoniny eto an-tany ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?
Midika izany fa azo fehezina ho mandrakizay ny fianakavianao! Midika izany fa rehefa atao batisa sy raisina ho mpikamban’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ianao dia afaka ny hiaraka aminao mandrakariva ny Fanahy Masina. Midika izany fa ny herin’ny fisoronan’ Andriamanitra dia afaka mitahy anao rehefa manao fanekempihavanana Aminy’ sy mitandrina izany ianao.
I Joseph Smith izay mpaminanin’ Andriamanitra dia mpaminaninao. Izy no mpaminany voalohan’ny Fiangonana naverina amin’ny laoniny. Mbola mitosaka avy any amin’ny Tompo ny fanambarana mandritra ity dingana mitohin’ny famerenana amin’ny laoniny ity.
Velona Andriamanitra! I Jesoa no Kristy! Naverina tamin’ ny laoniny ny Fiangonany! Izy sy ny Raintsika any An-danitra dia miahy antsika.
Avereno amin’ny laoniny ny sary
Mandehana any amin’ny pejy 6 ary vakio ny dikan’ny hoe famerenana amin’ny laoniny. Avy eo dia andramo averina amin’ny laoniny ity sary ity amin’ny alalan’ny fanaovana sary ao amin’ireo faritra banga!
Sary nataon’i Alyssa Petersen