“Lasy amin’ny andro avy orana”, Namana, janoary 2025, 16–17.
Lasy amin’ny andro avy orana
Nahoana ny Ray any An-danitra no tsy namaly ny vavaka nataony?
Tantara marina avy any Etazonia.
“Rahampitso ny lalao handraisako anjara, sa tsy izany?” Hoy i Lucy nanontany an’i Neny izay nampatory azy teo am-pandriana.
Nanaiky tamin’ny lohany i Neny. “Eny! Rahampitso hariva amin’ny 6:00.”
Efa nila ho tsy handrin’i Lucy izany. Efa herinandro maro no niandrandrany ny handraisan’ny ekipany anjara voalohany amin’ny lalao softball. Sady mavokely ny fanamian’izy ireo amin’ity taona ity! Faly aok’izany izy ka sarotra ho azy ny hahita tory.
Saingy ny ampitso marainan’io dia nitazana avy teo am-baravarankely i Lucy ka nikentrona. Ny rahona volombatolalaka mahasorena nihantona teny amin’ny lanitra ary feno fotaka tetsy sy teroa. Avy ny orana nandritry ny alina manontolo.
Nandohalika nanao ny vavaka fanaony isa-maraina izy. “Ray any An-danitra o, miangavy Anao mba hanampy hanao izay hahatsara ny toetrandro ho an’ny lalao softball hataoko anio alina.”
Nandritry ny fotoam-pianarana rehetra tany an-tsekoly dia tany amin’ilay lalao foana ny sain’i Lucy. Naka sary an-tsaina ny tenany nanao ny fanamiana mavokely vaovaony izy, sady mitsoraka ka mahasambotra baolina; sambo-baolina izay hahazoana isa. Kanefa ao ivelany ao dia mbola avy ny orana sady mando ny tany.
Nanonona vavaka fohy tao an-tsaina i Lucy. Ray any An-danitra o, mitalaho re mba ataovy miposaka haingana ny masoandro mba hahafahanay milalao anio alina.
Rehefa naneno ny lakilosin’ny sekoly dia nalain’i Lucy faingana ny kitapo fibabiny sady nihazakazaka tany ivelany izy. Hitany ho nanomboka nanangasanga avy tany ambadik’ireo rahona ny masoandro!
Saingy rehefa tonga naka azy i Neny dia vaovao ratsy no reny. “Nofoanana ilay lalao anio alina”, hoy izy. “Miala tsiny.”
Nijery ny lanitra i Lucy. “Miposaka anefa ny masoandro. Hitsahatra angamba ny orana.”
“Eny e!” hoy i Neny. “Saingy tondrak’ilay ranobe teo ny kianja filalaovana softball. Koa na dia mitsahatra aza ny orana dia mando sy be fotaka loatra ilay izy ka tsy azo ilalaovana. Hahemotr’izy ireo ho amin’ny fotoana hafa ilay lalao.”
Nanganohano te hitomany aok’izany ny mason’i Lucy. Diso fanantenana loatra izy! Naniry mafy dia mafy ny hilalao izy anio alina. Nahoana ny Ray any An-danitra no tsy namaly ny vavaka nataony?
Tao an-trano dia nahatsapa ho nalahelo sy sorena tahaka ireo rahona vonton-dranonorana i Lucy. Tsy te hamaky ilay boky tiany indrindra izy. Ary na dia ilay paty tiany indrindra aza no nahandroin’i Neny natao sakafo hariva dia tsy natsiro akory toy ny mahazatra izany.
Taorian’ny sakafo hariva dia nandady nankeo am-pofoan’i Lucy i Ellie, zandriny vavy. “Te hiaraka hilalao amiko ve ianao?” hoy izy nanontany.
Nisento i Lucy. “Eny”, hoy izy. Avy eo dia nahita hevitra izy. “Mila manao zavatra mahafinaritra isika.”
Naka kifafa izy ary nafatony teo amin’ny tendron’ilay izy ny saron-doha iray mba hanaovana saina iray. Avy eo dia novoriany ny rahavaviny rehetra. Nihazona ilay saina izy no sady niteny hoe: “Tongasoa eto amin’ny Lasy amin’ny andro avy orana! Eto ianareo dia hahazo fahafinaretana kanefa tsy afaka milalao any an-tokontany.”
Nihoraka ireo rahavaviny.
“Voalohany,” hoy i Lucy, “hihira ny hiran’ny lasintsika isika.”
Nivanitika toran’ny hehy ireto anao vavy raha namoromporona feon-kira fahatany sy tonon-kira ho an’izany izy ireo. Avy eo dia nandeha nanodidina ny efitrano niaraka tamin’ny sainan’izy ireo sady nihira mafy araka izay vitany.
“Izao isika dia mila manangana ny laintsika!” Nanampy ireo rahavaviny nanangona bodofotsy sy ondana i Lucy hoentina hanaovana toby iray. Somary nirodana imbetsaka ihany ilay izy. Saingy rehefa tafajoron’izy ireo ilay izy dia nitakoko tao anatin’ilay toby izy rehetra mba hanao kilalao.
Vetivety teo dia tonga ny fotoana hatoriana. “Enga anie ka hanorana indray rahampitso”, hoy i Liza rahavavin’i Lucy. “Te hanao ilay kilalao Lasy amin’ny andro avy orana indray aho!”
“Misaotra anao niara-nilalao tamin’ireo rahavavinao” hoy i Neny sady namihina an’i Lucy izy ho firariana azy hahita tory tsara. “Ianao ihany no nitondra tara-masoandro ho anao na dia teo aza ny toe-javatra sarotra niainanao. Reharehako ianao.”
Nahatsapa fifaliana i Lucy raha niakatra nankeo am-pandriana. Tsy araka ny nitiavany azy ny namaliana ireo vavaka nataony. Saingy mbola nampian’ny Ray any An-danitra izy hahita zavatra hafa mahafinaritra hatao miaraka amin’ny fianakaviany; ary tsara tahaka ny misalotra ilay fanamiana mavokely mandritra ny lalao softball voalohany handraisany anjara izany.
Sary nataon’i Apryl Stott