“Ny fanomezam-pahasoavan’ny vavaka”, Namana, janoary 2025, 20–21.
Avy amin’ireo mpitarika antsika
Ny fanomezam-pahasoavan’ny vavaka
Namboarina avy tamin’ny “Eny, mivavaha,” Liahona, mey 2024, 77–79.
Nanome anao fanomezana iray tena miavaka ny Ray any An-danitra. Izany fanomezana izany dia ny vavaka. Afaka manampy antsika amin’ny fotoana rehetra sy any amin’ny toerana rehetra ny vavaka.
Te hizara fanomezana telo azonareo angatahana am-bavaka aho.
1. Mivavaha mba hahafantaranao.
Raha tsy afaka mahita ny Ray any An-danitra isika rehefa miteny ny tonom-bavaka ataontsika dia amin’ny fomba ahoana no hahafantarantsika fa mihaino Izy?
Nanasa anareo ny Filoha Russell M. Nelson mba “[hamboraka] amin’ny Rainareo any An-danitra izay ao am-ponareo. … Dia mihainoa avy eo!”* Afaka mahafantatra ianao fa maheno ny vavaka ataonao ny Ray any An-danitra rehefa mihaino ny zavatra tsapanao ao am-ponao sy ireo eritreritra tonga ao an-tsainao ianao.
2. Mivavaha mba hitomboanao.
Ahoana no fomba tianao hitomboana? Te hianatra fahaiza-manao vaovao na hanana namana vaovao ve ianao? Afaka mivavaka ianao mba hitombo mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa!
Notantarain’i Jonah ilay namako vaovao tamiko fa matetika izy no mitebiteby any an-tsekoly. Saingy rehefa nanomboka nivavaka izy talohan’ny nankanesana tany an-tsekoly dia nahatsapa fiadanana izy. Mivavaka i Jonah mba hitombo isan’andro, dia afaka manao izany koa ianao!
3. Mivavaha mba hanehoanao.
Fony aho mbola zazavavy kely dia nivavaka ho an’ny fianakaviako aho. Naniry ny hahafantatra ny fomba azoko nanampiana azy ireo aho. Nanampy ahy ny Ray any An-danitra mba hahafantatra fa izaho dia afaka mijoro ho ohatry ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Izany no azoko natao!
Raha efa mivavaka ho an’ny fianakavianao na olon-kafa akaikin’ny fonao ianao dia aza milavo lefona! Hampiseho anao ny zavatra azonao atao ny Ray any An-danitra. Rehefa mangataka amin-kitsimpo ny fanampiany ianao dia hitarika anao ny Fanahiny.
Ny vavaka ataoko
Eritereto ireo fanontaniana ireo isaky ny mivavaka ianao. Avy eo dia mandokoa voninkazo iray. Jereo raha afaka mandoko ny pejy iray manontolo ianao!
-
Inona no iriako fantarina?
-
Amin’ny lafiny inona no tiako itomboana?
-
Amin’ny fomba ahoana no ahafahako maneho ny fitiavan’ny Ray any An-danitra amin’ny hafa?
Sary nataon’i Jared Beckstrand