2025
Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy
Desambra 2024


“Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy”, Namana, janoary 2025, 22–23.

Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy

30 desambra–5 janoary: “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy”

Piozila momba ny Famerenana amin’ny laoniny

Ankizy manambatra piozila vita amin’ny taratasy

Ny hoe mamerina amin’ny laoniny ny zavatra iray dia midika hoe mamerina manambatra azy rehetra indray. Vakio ny “Ny Famerenana amin’ny laoniny ny fahafenoan’ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy: Fanambarana ho an’izao tontolo izao nandritra ny fankalazana ny faha-roanjato taona” ao amin’ny Médiathèque de l’Évangile mba hianarana misimisy momba ny fomba namerenana tamin’ny laoniny ny Fiangonana. Avy eo dia ataovy ilay kilalao momba ny famerenana amin’ny laoniny! Mitadiava na manaova sary iray ka hetezo ho lasa sombina piozila maro izany. Mifanakaloza piozila amin’ny olona iray ao amin’ny fianakaviana dia avereno amin’ny laoniny ny sary sahaninareo tsirairay avy. Nahoana no nanan-danja ny namerenan’i Joseph Smith tamin’ny laoniny ny filazantsaran’i Jesoa Kristy?

6–12 janoary: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1

Kilalao tsy an-kihetsika

Ankizy mandihindihy

Miresaka amintsika amin’ny alalan’ny mpaminaniny ny Ray any An-danitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:38). Mila mihaino fotsiny isika! Manaova fanazaran-tena mihaino amin’ny alalan’ny fanaovana kilalao. Misy olona iray mitendry mozika ary mandihy ny olona rehetra rehefa mandeha ilay mozika. Rehefa mijanona ilay mozika dia tsy mihetsika ny rehetra. Dia izay olona farany nahavita tsy nihetsika no dia mizara antony iray itiavany ny mpaminany. Milalaova mandra-pahazoan’ny olona rehetra fahafahana hizara!

13–19 janoary:Joseph Smith—Tantara 1:1–26

Diorama (sary kely mivoitra) maneho ny Fahitana Voalohany

Ankizy manao asatanana diorama (sary kely mivoitra)

Niseho tamin’i Joseph Smith ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Joseph Smith—Tantara 1:15–20). Antsointsika hoe ny Fahitana Voalohany io zava-nitranga io. Mankanesa any amin’ny pejy 13 mba hanamboaranao ny Diorama (sary kely mivoitra) maneho ny Fahitana Voalohany ho anao manokana ary avy eo dia ampiasao izany mba hitantarana amin’ny olona iray hafa ilay tantara.

Janoary 20–26: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2; Joseph Smith—Tantara 1:27–65

Kilalao mahafinaritra momba ny tantaram-pianakaviana

Ankizy manao sary

Rehefa mianatra bebe kokoa momba ireo razambentsika isika dia mahatsapa ho akaiky kokoa azy ireo sy ny Ray any An-danitra (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 2). Mangataha olona iray ao amin’ny fianakaviana mba hitantara aminao tantara iray teo amin’ny fiainan’izy ireo na avy amin’ny fiainan’ny iray amin’ireo razambenareo. Avy eo dia forony ho lasa tantara an-tsehatra indray ilay tantara na manaova sary!

Tantara amin’ny endrika PDF

Sary nalain’i Christina Smith