“Manara-dia an’i Jesoa any Estonia”, Namana,nôvambra 2025, 10–11.
Manara-dia an’i Jesoa any Estonia
Fantaro i Hugo
Manara-dia an’i Jesoa i Hugo amin’ny alalan’ny fivavahana rehefa mila fanampiana. Nanofy ratsy izy indray mandeha. Nivavaka izy mba hahazo fampiononana. “Jesoa o, ampio aho”, hoy izy.
Manara-dia an’i Jesoa ihany koa i Hugo amin’ny alalan’ny fizarana ny filazantsara amin’ny namany. Tiany ny mampianatra azy ireo ny zavatra ianarany any am-piangonana. Lazainy amin’izy ireo fa zanak’ Andriamanitra ny olon-drehetra. “Manasa azy ireo hankany am-piangonana sy hanatrika fiaraha-mientana aho”, hoy izy. “Mahatonga fahatsapana tsara ao amiko izany.”
Mombamomba an’i Hugo
Taona: 9
Fiaviana: Estonia
Tenim-pirenena: Estoniana, Anglisy
Tanjona
1) Ho lasa mahay mitendry pianô tsara kokoa. 2) Hiaraka mandrakizay amin’ny fianakaviany manontolo, tafiditra ao anatin’izany ry dadabe sy nenibe.
Fialam-boly:
-
Mihira ao amin’ny Amboaram-peon’ny ankizilahy ao amin’ny opéra nasiônalin’i Estonia.
-
Milalao pianô
-
Milalao tantara an-tsehatra
-
Baolina kitra
Fianakaviana: Neny, zokivavy iray, zokilahy anankiroa ary alika iray antsoina hoe Ayla.
Ireo zavatra tian’i Hugo indrindra
Soratra masina: 1 Nefia 3:7
Fombafomban’ny fianakaviana: Manao sary hosodoko sy manafina atodin’ny Paska
Voankazo: Manga
Loko: Volom-boasary
Hiran’ny Kilonga: “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6)
Sary nataon’i Suzy Gerhart