“Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe”, Namana, nôv 2025, 4–5.
Zavatra noraisina an-tsoratra avy amin’ny fihaonambe
Mahakasika ny fianakaviana ny filazantsara
Nampianatra ny Filoha Oaks fa ny fianakaviana no ivon’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Fony izy zazalahy kely dia maty ny rainy. Saingy nampianatra azy ny filazantsara ny reniny ary nanome fanantenana sy fiadanana ho azy izany. Miatrika olana ny fianakaviana, saingy afaka manana fanantenana avokoa isika rehetra fa afaka ny ho isan’ny fianakaviana mandrakizay.
Manaova sarin’ny fianakavianao.
Manao zavatra sarotra miaraka amin’i Kristy
Nilaza ny Loholona Eyring fa fony izy tany amin’ny oniversite dia sarotra taminy ny fizika sy ny matematika. Nahatsapa ho tototra izy ary naniry ny hiala. Rehefa nivavaka izy dia nahatsapa fankaherezana sy famporisihana. Nianatra izy fa afaka manao ny zava-drehetra amin’ny alalan’i Kristy, izay mampatanjaka antsika rehetra (jereo ny Filipiana 4:13). Rehefa mandalo fotoan-tsarotra isika dia hiaraka amintsika ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Ataovy sary na soraty ny fotoana iray nanaovanao zavatra sarotra ka nampian’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.
Miorim-paka amin’ny fijoroana ho vavolombelona anananao
Nizara ny Loholona Brown fa niditra ho mpikamban’ny Fiangonana tany Jamaika izy. Nanontany ireo namany hoe: “Inona no idiranao ao amin’io fiangonana io? Tena mino an’izany rehetra izany ve ianao?” Saingy nahazo fijoroana ho vavolombelona avy tamin’ny Fanahy Masina izy ary nijanona ho mahatoky tamin’ny fijoroana ho vavolombelona nananany. Rehefa misafidy ny hino isika dia hitombo ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika.
Efitrano ho an’ny mpaminany
Nilaza tantara iray tao amin’ny Baiboly ny Rahavavy Spannaus momba ny vehivavy iray izay nanasa ny mpaminany Elisa hisakafo tao an-tranony. Nanorina efitrano iray tao an-tranony mihitsy aza ilay vehivavy mba hananany toerana hipetrahana. Nanamafy taminy ny Fanahy Masina fa mpaminanin’ Andriamanitra izy. Afaka manana fijoroana ho vavolombelona momba ireo mpaminanin’ Andriamanitra ihany koa isika. Afaka manokatra ny fontsika isika sy mankatò ny fitarihan’izy ireo.
Ny herin’ny hiran’ny Kilonga
Niresaka momba ny maha-zava-dehibe ireo hiran’ny Kilonga ny Rahavavy Browning. Nilaza izy fa ny hira dia fitaovana iray izay afaka manampy amin’ny fambolena voan’ny fijoroana ho vavolombelona ao am-pontsika. Rehefa mihira ireo hiran’ny Kilonga isika dia mihira ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsara naverina tamin’ny laoniny. Tena tian’i Jesoa mba hazava isika!
King of Love, My Shepherd by Julie Rogers. May not be copied.