2025
Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy
Namana nôvambra 2025


Sahanasa momba ny “Avia, hanaraka Ahy”, Namana, nôvambra 2025, 22–23.

Sahanasa momba ny Avia, hanaraka Ahy

27 ôktôbra–2 nôvambra: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124

Fo mahitsy

Ankizy roa mandoko fo amin’ny taratasy

Tia an’i Hyrum Smith mpanompony ny Tompo noho ny “fahitsian’ny fony” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 124:15). Jereo ny dikan’ny teny hoe fahitsian-toetra ary resaho amin’ny fianakavianao ny momba izany. Avy eo dia manaova sarina fo lehibe eo amin’ny taratasy iray. Manaova na manorata ao anatin’ilay fo, zavatra izay afaka hataonao mba hananana fo mahitsy.

3–9 nôvambra: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 125–128

Efajoro fasiana sarina fianakaviana

Rehefa niverina avy nanao asa fitoriana i Brigham Young dia nandidy azy ny Tompo mba hikarakara ny fianakaviany (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 126). Manamboara efajoro fasiana sary ka ravaho izany mba hasiana sarin’ny fianakavianao. Ahoana no hahafahanareo mifampikarakara?

10–16 nôvambra: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 129–132

Manaraka ny Mpitarika

Ankizy anankiroa manafosafo loha

Ny vatantsika dia mitovy amin’ny vatan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 130:22). Ataovy ity kilalao ity mba hankalazana ny vatanao! Mifandimbiasa misafidy fihetsika iray, toy ny mitsambikina na na manafosafo ny lohanao. Maka tahaka ilay fihetsika ny olon-kafa rehetra.

17–23 nôvambra: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133–134

Asa fanompoana feno fitiavana

Be fitiavana sy tsara fanahy i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:52). Ataovy ao anaty lovia iray ny anaran’ny olona tsirairay. Makà anarana iray ary manompoa mangingina an’izany olona izany amin’ity herinandro ity.

24–30 nôvambra: Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135–136

Tantaran’ny Mpaminany Joseph Smith

Ankizilahy iray mandoko sary

Mpaminanin’ny Famerenana amin’ny laoniny i Joseph Smith (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 135:3). Manaova sary avy amin’ny fiainany. Ahoana no ahafantaranao fa mpaminany izy?

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nalain’i Christina Smith