2025
Maty ho an’ny filazantsara i Joseph
Namana nôvambra 2025


“Maty ho an’ny filazantsara i Joseph,” Namana, nôvambra 2025, 26–28.

Tantara ao amin’ny soratra masina

Maty ho an’ny filazantsara i Joseph

Tandrenivohitra tezitra mamaky gazety

Maro ireo olona tezitra tamin’i Joseph Smith sy ny Fiangonana. Tsy tian’izy ireo ny zavatra nampianarin’i Joseph. Naniry ny hamono azy mihitsy aza ny sasany.

Mamihina ny fianakaviany i Joseph Smith

Nila nandeha tany amin’ny tanànan’i Carthage i Joseph mba hahafahan’ny mpitsara iray manapa-kevitra raha toa ka nandika ny lalàna izy. Nitsodrano an’i Emma sy ireo zanany i Joseph, nanoroka azy ireo ka nanao veloma, ary nandeha nankany Carthage

I Joseph sy i Hyrum mitaingina soavaly ary nitodika any aoriana mba hitazana ny Tempolin’i Nauvoo izay mbola tsy vita

Niaraka taminy i Hyrum rahalahin’i Joseph sy ireo namany hafa. Nony nandeha izy ireo dia nitodika tany Nauvoo i Joseph. “Ity no toerana tiako indrindra sy vahoaka tsara indrindra eo ambanin’ny lanitra,” hoy izy.

I Joseph tao amin’ny Fonjan’i Carthage miresaka amin’ireo mpiambina, raha namaky ny soratra masina i Hyrum

Naiditra am-ponja izy ireo rehefa tany Carthage. Novakian’i Hyrum tamin’izy ireo ny Bokin’i Môrmôna. Nilaza tamin’ireo mpiambina i Joseph fa marina ny Bokin’i Môrmôna.

Lehilahy mitam-basy miezaka miditra ao amin’ilay efitrano ary i Joseph sy ireo namany kosa miezaka mihazona ilay varavarana hikatona

Rehefa afaka kelikely tamin’io andro io dia nirohotra nankao amin’ilay fonja ireo olona tezitra. Nanomboka nitifitra ny tao amin’ny efitrano nisy an’i Joseph sy ireo namany izy ireo. Maty i Hyrum sy i Joseph.

Ireo Olomasina fahiny nifankahery miaraka amin’ny Tempolin’i Nauvoo ao ambadiky ny havoana iray

Nalahelo mafy ireo Olomasina rehefa fantatr’izy ireo fa maty i Joseph sy i Hyrum. Saingy fantatr’izy ireo fa hitohy hitombo hatrany sy hitahy ireo zanak’ Andriamanitra manerana an’izao tontolo izao ny Fiangonana.