2025
Ireo tenin’ny Filazantsarako
Namana nôvambra 2025


“Ireo tenin’ny Filazantsarako”, Namana, Nôvambra 2025, 10.

Ireo tenin’ny Filazantsarako

Tadiavo ato amin’ity laharana Namana ity ireo teny sy andian-teny ireo!

Fahafolonkarena

Sarina tempoly sy vola avy amin’ny firenena samihafa

Ny fandoavana fahafolonkarena dia famerenana amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny fanomezana ny iray ampahafolon’ny (10 isan-jato) vola azontsika amin’ny Fiangonany. Ny fahafolonkarena dia manampy amin’ny fanorenana tempoly sy fiangonana ary manohana ny asan’ny Fiangonana. Rehefa mandoa fahafolonkarena isika dia mitahy antsika amin’ny fomba maro ny Ray any An-danitra!

Razambe

Fanehoana an-tsary ny sary famantarana ny FamilySearch ana hazon’ny tetiaram-pianakaviana natao tamin’ny endrika miavaka

Ireo razambentsika dia olona ao amin’ny fianakaviantsika izay niaina taloha elabe, tahaka ireo ray aman-drenibentsika. Ampahany manan-danja amin’ny tantaram-pianakaviantsika ny razambe. Afaka mianatra momba azy ireo sy mahatsiaro azy ireo ary manao asa atao any amin’ny tempoly ho azy ireo isika mba hahafahantsika hiaraka mandrakizay.

Firaketana faobe

Ny firaketana faobe dia fomba iray ahafahantsika manampy ny hafa hahita ny razambeny! Manoratra anarana ao amin’ny solosaina avy amin’ireo firaketana an-taratasy tranainy isika mba hahafahan’ny olona mikaroka ireo olona ao amin’ny fianakaviany sy mahita firaketana momba ny fiainan’izy ireo. Izany dia manampy amin’ny tantaram-pianakaviana sy ny asa atao any amin’ny tempoly mba hahafahan’ny olona maro kokoa ho voafehy miaraka mandrakizay. Na ny ankizy aza dia afaka manampy amin’ny fanaovana firaketana faobe!

Fahafatesana ho maritiora

Misy ny maritiora rehefa maty noho ny zavatra inoany ny olona iray. Joseph Smith sy i Hyrum rahalahiny dia maritiora satria novonoina noho ny finoana sy ny fiainana ary ny fampianarana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy naverina tamin’ny laoniny izy ireo.

Pejy amin’ny endrika PDF

Sary nataon’i Madison Baker