“Tonga soa ry namana!” Namana, nôvambra 2025, 1.
Tonga soa ry namana!
Fantatrao ve fa ny tantarantsika dia nosoratana momba ny ankizy tena misy manerana an’izao tontolo izao? Manana tantara mahatalanjona hozaraina ny olona tsirairay! Toy izany koa ny tantaram-pianakaviana—manana tantara ny fianakaviana tsirairay. Tsy voatery hoe goavana be izany vao ho manan-danja. Ary rehefa mizara izany ianao dia mizara ampahany amin’ny tantaram-pianakavianao.
Azonao ampiasaina ireo fanontaniana ao amin’ny pejy 35 mba hanampiana anao hianatra bebe kokoa momba ny fianakavianao. Na ataovy ny sasany amin’ny sarin’izy ireo ao amin’ny pejy 24–25. Nomen’ny Ray any An-danitra fianakaviana isika mba hanampy antsika hianatra sy hivoatra, koa andeha hanomboka hianatra!
Amim-pitiavana,
Ny Namana